Betsaka ny tombontsoa azon’ny mpandraharaha, indrindra ny vehivavy mpandraharaha malagasy eo amin’ny tsenam-barotra iraisan’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (COMESA). Mbola vitsy anefa no mahafantatra izany. Fotoana ampahafantarana ny vehivavy mpandraharaha malagasy sy ireo vehivavy mpandraharaha manerana ny firenena afrikana mpikambana ao amin’ny COMESA ny « Foire commerciale et conférence commerciale de la COMFWB » andiany fahadimy. Nanomboka ny 28 jona ary hifarana androany faha-29 jona 2024, eny amin’ny Novotel Alarobia ny « COMFWB Trade Fair and Conference ». Ankoatra ny varotra fampirantiana ireo vokatra vokarin’ny vehivavy mpandraharaha afrikanina dia misy ihany koa ny fampihaonana ireo samy vehivavy mpandraharaha mba ahafahan’izy ireo miara-miasa, ny famelabelaran-kevitra momba ireo tsenam-barotra azo idirana eo amin’ny tsenan’ny COMESA, ny fandaharan’asan’ny COMESA, ao anatin’izany ny tohana omeny ho an’ny vehivavy mpandraharaha. Ho voamboasina mandritra roa andro ao anatin’ny famelabelaran-kevitra ny antony mahatonga ny tsenam-barotry ny COMESA ho anisany manampy ny mpandraharaha hahaleo tena, ny andraikitry ny rafi-pitantanan’ny COMESA amin’ny fampandrosoana ny toekaren’ny faritra, ny fampiasana ny teknolojia sy ny tombony azon’ny vehivavy mpandraharaha amin’izany, ireo lalam-barotra eo amin’ny tsenan’ny COMESA, ny fomba ahafahana miditra amin’ny tsena sy ahazoan’ny vehivavy mpandraharaha famatsiam-bola ary ny anjara andraikitry ny vehivavy amin’ny toekarena maitso.
Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny Federasionan’ny vehivavy mpandraharaha mpikambana anatin’ny faritra COMESA (COMFWB) sy ny COMFWB Madagascar Chapter ary ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto Maadagasikara (GFEM). “Manana ny toerana eto Afrika ny vehivavy mpandraharaha malagasy ary betsaka ny lalam-barotra azo idirana. Ny hetsika tahaka izao dia ahafahan’ny vehivavy mpandraharaha malagasy sy vehivavy afrikana mijery lalam-barotra sy mijery fiarahamiasa”, hoy i Razakaboana Fanja, Filohan’ny COMFWB Madagascar Chapter, nandritra ny fanokafana ny hetsika, ny 28 jona 2024. Nanamafy ihany koa ny Minitry ny raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika fa zava-dehibe ny fandraisan’i Madagasikara ity hetsika ity mba hisitrahan’ny mpandraharaha malagasy bebe kokoa izany tsenam-barotry ny COMESA izany. “Mba ahafahana mijery mpanjifa mihoatra ny Madagasikara satria mihoatra an-tapitrisany ny mpanjifa eo amin’ny tsenam-barotry ny COMESA”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny herinandron’ny COMESA (COMESA WEEK) atao eto Madagasikara ny « COMFWB Trade Fair and Conference » ho fanombohana amin’ny fanamarihana ny faha-30 taonan’ny COMESA.
Ra-Nirina