Socio-eco

COLLECTIF DES TRAVAILLEURS MALAGASY: « Aza taitra raha mikatso ny raharaham-panjakana »


« Hampiseho ny herinay izahay ». Fivondronan’ny mpiasa rehetra avy amin’ny sehatra miankina amin’ny fanjakana sy  sehatra tsy  miankina ny « collectif des travailleurs malagasy ». Mivondrona ao avokoa rehefa antsoina hoe : mpiasa,  ao anatin’ny tantsaha, ny mpamokatra, ny  hery velona rehetra eto Madagasikara. Manoloana ny zava-misy mihatra eo amin’ny firenena, ny savorovoro politika izay miteraka fifandrafiana eo amin’ny samy Malagasy toy ny tranga teny Andavamamba, ny tsy fanarahan-dalàna dia nanatanteraka fivoriana ny vondron’ny mpiasa malagasy, ny 20 oktobra 2023. Hevitra tapaka tamin’izany fa miorina amin’ny sehatr’asa rehetra ny « collectifs des travailleurs malagasy ». Mitaky ny fampiharana ny tany tan-dalàna izy ireo. « Miantso ny mpanao politika hifampidinika fa raha tsy izany dia « hampiseho ny herinay  izahay », hoy i Rakotondrahova Didier, mpitondra tenin’ny fikambanana teny Antaninarenina. Tsy nampahafantatra ny fomba entiny hampiharana izany izy ireo fa nanambara kosa fa « aza taitra raha mikatso ny raharaham-panjakana ». Nanamafy izy ireo fa tany tan-dalàna i Madagasikara ka tsy manaiky ny tsy fanarahan-dalàna fa faharavana no aterak’izany. Miray fo amin’ny sendikan’ny mpiasa rehetra ihany koa ny vondron’ny mpiasa malagasy. Nilaza kosa anefa i Rakotondrahova Didier fa voafetra ny hetsika ataon’ny sendika fa “ity ataonay ity dia resaka politika ho fanavotana ny tanindrazana”. Miantso ny olm-pirenena rehetra, manana asa izy ireo hanatevin-daharana ny vondrona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *