Socio-eco

COLLECTIF DES ADMINISTRATEURS CIVILS : Nanolotra tolo-kevitra manoloana ny savorovoro politika


Lalim-paka loatra ny tsy fahatokisana intsony ireo rafitra mpikarakara isan-karazany. Raisin’ny Collectif des Administrateurs Civils eto Madagasikara ho adidy ny manolotra soso-kevitra noho izao savorovoro politika ankehitriny izao. « Fahatsapana ankehitriny fa ny fototry ny olana eto dia lehibe sy lalim-paka loatra ny tsy fananan’ny maro fahatokisana intsony ireo rafitra mpikarakara, ny rindra-pandaminana ary indrindra ny fampiharana ny lalàna manodidina ny fikarakarana ny fifidianana », hoy i Ratolojanahary Maharavo na Doudou, mpitondra tenin’ny Collectif des Administrateurs  Civils. Maro noho izany ny ady hevitra eo amin’ny fampiharana ny lalàna ka miteraka fiahiahiana lalina amin’ny mety fisian’ny fiandaniana sy fitongilanana. Indrindra ny tsy fisian’ny fangaharana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manodidina ny fikarakarana ny fifidianana ka tsy ahazoan’ny rehetra antoka intsony ny hivoahan’ny tena safidim-bahoaka marina.

Mba hametrahana ny fitoniana sy hamerenana ny fitokisanan’ny rehetra ireo andrim-panjakana sy rafitra mifarimbona amin’ny raharaham-pifidianana toy  ny rafitra vonjimaika mitantana ny raharaham-panjakana misolo toerana ny filoha, fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana (HCC ),  ny rafitra mahaleo-tena mikarakara ny fifidianana (CENI). Noho izany dia tsy azo ihodivirana ny fandaminana miantoka ny fiaraha-mitantan’ny ankolafy rehetra, hoy izy. Hisy noho izany ny fifampidinihan’ny mpiantsehatra rehetra ara-pifidianana sy ara-politika rehetra hamoahana fifanarahana politika. Tanjona amin’izany ny fametrahana ny kalitaom-pifidianana ankatoavin’ny rehetra.

Tsy azo ihodivirana ny fanatsarana manontolo ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana rehetra mba hanaraka ny fenitra demokratika ka hiarahana ahitsy izay lesoka.  Ankoatra izay ny fanatsarana ny lisi-pifidianana izay miantoka ny zo fototry ny olom-pirenena.

Nanambara izy ireo fa tsy aingitraingitra ny fanokanana fotoana sahaza ireo fepetra sy fenitra takian’ny fifidianana tomombana, madio, milamina, mangarahara ary eken’ny rehetra mialoha ny hirosoana ny fifidianana mba tsy hiverimberenan’ny krizy ateraky ny fifidianana intsony.

Farany, miantso fandraisan’andraikitra an’ireo ray aman-dreny to teny eto amin’ny firenena ( FFKM) , ara-piarahamonina mba hitarika ny zotra-panelanelanana rehetra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *