Socio-eco

CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato


Fanamorana ny fahazoana trano fonenana. Tontosa ny 19 novambra 2O2O teny amin’ny « salon de l’habitat » teny amin’ny Forello Tanjombato ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS, ny BNI ary ny ANALOGH. Tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny CNAPS hahazoan’ny mpikambana ao aminy trano fonenana ity fiarahamiasana ity sady ho fanatanterahana ny politakan’ny fahazoana trano fonenana. “Laharam-pamehana ho anay ny fisitrahana ny zo hahazo trano. Anjara birikinay ny hahazoan’ny mpikambana trano. Ny banky manome famatsiam-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambanimbany ary Analogh manao asa fanamboarana”, hoy ny tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy. Nambarany fa mpikambana miisa 12.000 ao amin’ny CNAPS no afaka misitraka ny  trano fonenana an-jatony, eny Lake Village eny Ivato raha sitrak’izy ireo. “Ny CNAPS no manome antoka ny banky fa afaka misitraka izany izy ireo”, hoy izy. Araka ny fanazavany dia 350.000 ny mpikambana ao amin’ny CNAPS afaka omena trano fa samy manana ny vola tokony aloany amin’ny banky. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Analogh  fa manohana ny fandaharan’asa ao anatin’ny vinan’ny Prezidan’ny Repoblika, laharana faha-11 dia fanamorana ny fahazoana trano fonenana mendrika ho an’ny Malagasy ity fiarahamiasa ity.

Lynda A.


One comment on “CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato

  1. Pingback: CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *