Socio-eco

CNAPS-CCIFM: Nitombo indray ireo mpikambana very asa nahavita fiofanana


Ho mora kokoa ny fitadiavana asa.  Nahazo mari-pahavitam-piofanana ireo mpikambana ao amin’ny CNAPS very asa 152 nanaraka fiofanana niaraka tamin’ny CCIFM (Chambre de Commerce et de l’Industrie France-Madagascar). Ny 23 febroary 2021 teny amin’ny ivon-toerana haino aman-torolalana (CEO)  an’ny CNAPS eny 67 ha no nanolorana izany. “Ny CCIFM no manome ny fiofanana ka tao anatin’izany ny fanomezana torolalana hahatoky tena,  nanome ireo karazana lalam-piofanana hampitomboana ny traikefa sy fahalalana. Teo ihany koa ny fanomezana torolalana momba ny fanoratana CV sy lettre de motivation,  ny teknika fandresen-dahatra mandritra ny entretien mba ho mora kokoa ny fitadiavana asa avy eo”, hoy ny Talen’ny hetsika sy fanentanana ara-piarahamonina eo anivon’ny CNAPS, Rakotomalala Yvan. Efa andiany faharoa ireto nomena mari-pahavitam-piofanana ireto.

Ao anatin’ny fanampian’ny CNAPS  ireo mpikambana very asa vokatry ny Covid-19 ity fiofanana ity. Araka ny fanazavan’Andriamatoa Rakotomalala Yvan fa “aorian’ny taridalana omen’ny CCIFM dia manana safidy  indray ireo mpiofana ny amin’ny  lalam-piofanana ho arahiny. Ohatra call center, teny vahiny”. “Mbola ho ampian’ny CNAPS indray izy amin’izay mba hanamorana , hanafainganana ny fahitana asa”, hoy izy. Ankoatra izany  dia ho “fanokafana ny sain-dry zareo hiasa tena, hamorona asa ho an’ny tena, ohatra asa tanana ity fiofanana ity ary hisy indray ny fiofanana  omen’ny CNAPS  azy ireo miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka”, hoy hatrany ny ny Talen’ny hetsika sy fanentanana ara-piarahamonina eo anivon’ny CNAPS.  Nambarany fa 376 no efa nahavita fiofanana taorian’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS sy ny CCFIM, ny 15 desambra 2020. Mbola mandray ireo mpikambana very asa te hanaraka ny fiofanana ny CEO eny 67 Ha.

Nirina R.


One comment on “CNAPS-CCIFM: Nitombo indray ireo mpikambana very asa nahavita fiofanana

  1. Pingback: CNAPS-CCIFM: Nitombo indray ireo mpikambana very asa nahavita fiofanana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *