Socio-eco

CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra


Roa volana ny faharetan’ny fifaninanana Cleaning Challenge karakarain’ny Fondation Terra. Ny volana voalohany no vita ka nozaraina loka ireo mpifaninana telo voalohany nanana naoty tsara indrindra. Fianakaviana 11 no mandray anjara amin’ity fifaninanana manadio sy mandamina ny ao an-tokantrano ity. Isan-kerinandro dia miatrika fiofanana izy ireo ary avy eo mampihatra izany any an-tokantranony. Misy ny fitsidihana ataon’ny mpitsara ka izay tsara naoty no mahazo loka. Ny “efitrano fandraisambahiny” no lohahevitra nisantarin’izy ireo izany. Manohana ny lalao ny orinasa SOMAPRO izay mamatsy ny vokatra IMPEC ampiasaina amin’ny fanadiovana sy fidiovana. Nizara ireo vokatra sy fitaovana ho an’ireo mendrika indrindra ny orinasa ny sabotsy 09 Oktobra 2021. “Iray volana katroka izay no nanomboka ny Cleaning Challenge. Hita fa miha mitombo lenta ny fifaninanana ary izany indrindra no nahatonga ny Fondation Terra manolotra fiofanana maimaimpoana ho an’ireo mpandray anjara”, hoy RANDRIAMORASATA Willah, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Fondation Terra.

Hiditra amin’ny volana faharoa ny fifaninanana, ka miova arak’izay ihany koa ny lohahevitra. Ny « rénovation » na ny « fanavaozana » no lohahevitra ho resahina amin’ity herinandro ity, araka ny fanazavany. “Ampianarina ireo fianakaviana fa izay eo am-pelatanana sy izay fahefana hananana dia efa ampy hanavaozana sy hanatsarana foana ny ao an-tokantrano”, hoy izy. Nambarany fa ny fiovan’ny toetsaina sy ny fomba fanao no tena tanjona voalohan’ny Fondation Terra. Mivohy hatrany ny Fondation fa manomboka amin’ny toetsain’ny tsirairay ny fanovàna sy ny fandrosoana, ka izany indrindra no nahatonga azy nanao ity Cleaning Challenge ity. “Manomboka amin’ny kely indrindra ny fiovana, ary tsy mila zavatra betsaka fa rehefa tsy mandoto dia efa manadio”.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *