Socio-eco

CLEANING CHALLENGE: Nitondra fiovana tao an-tokantrano sy ny manodidina


Tsy mila baikoana. Tapitra ny fifaninanana Cleaning Challenge nokarakarain’ny Fondation Terra. Nozaraina ny 11 desambra 2021 teny amin’ny Le Combava Ambodihady ny loka sy mari-pankasitrahana ho an’ireo fianakaviana dimy voalohany sy ireo mpandray anjara rehetra. Vola mitentina 2 tapitrisa Ariary ny loka azon’ny voalohany, 5 hetsy Ariary ny faharoa. Mbola nanome kojakoja fampiasa amin’ny fanadiovana ao an-tokantrano ho azy ireo ihany koa ny SOMAPRO, mpanohana ny lalao. Torak’izay ny fahatelo,ny fahaefatra ary ny fahadimy. Nitondra fanomezana nody ihany koa ny mpandray anjara ambiny. Fianakaviana 11 no nandray anjara ary mpiasa avy ao amin’ny Terra Group ihany izy ireo. “Hetsika voalohany nokarakarain’ny Fondation Terra ho fanentanana ny mpiasa momba ny fahadiovana sy fandaminana ny ao an-tokantrano sy ny manodidina azy izy ity. Nandritra ny roa volana no nanatanterahina azy. Nisy lohahevitra isan-kerinandro, toy ny fandaminana ny ao an-dakozia, ny trano fatoriana…Ny farany teo fandresena lahatra ny manodidina handray anjara amin’ny fanadiovana ny tanàna”, hoy i Lalatiana Robine, Tale Jeneralin’ny Terra Group.

Ny teo am-pelantanan’ny mpifaninana ihany no nampiasaina nandritra lalao. “Tsy mila manao investissement goavana be. Ahoana izany madio izany rehefa ampiasaina ny eo am-pelantanana”, hoy hatrany i Lalatiana Robine. Tanjon’ny hetsika ny “fahatongavana ara-tsaina fa misy fandraisana andraikitra mila atao eo amin’ny fiainana, azo atao ny madio, azo atao ih azo atao ihany koa ny manentana ny manodidina ary raha tonga saina tsara dia tsy mila baikoana, tsy mila arahimaso. Nitondra fiovana tao an-tokantrano sy ny manodidina ny Cleaning Challenge araka ny fitantaran’ireo mpandray anjara. “Lasa sarotiny amin’ny fahadiovana”. “Rehefa misy olona mandalo an-trano dia resy lahatra fa ilaina ny fahadiovana sy ny fandaminana”. Santionany amin’ny vokatsoa  sy akony tamin’ny fifaninanana ireo fijroana vavolembelona nataon’ny mpandray anjara ireo. Misehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny Terra Group. Fifaninanana momba ny fiompiana manaraka fenitra indray ny hetsika manaraka ho karakarain’ny Fondation Terra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *