Socio-eco

CLEANING CHALLENGE: 2 tapritrisa Ariary ny loka ho an’ny laharana voalohany


Fanadiovana sy fandaminana ny ao an-tokantrano.  Hetsika voalohany karakarain’ny Fondation Terra ny Cleaning Challenge.  Fifaninanana momba ny fanadiovana,  sy fandaminana  ary fanavaozana ny ao an-tokantrano izy ity. Miara-miasa amin’ny orinasa Somapro,  mpamatsy ny vokatra momba fahadiovana sy fidiovana Impec ny fikambanana amin’ny fanatanterahana ny hetsika. Ireo mpiasa ao amin’ny Terra group no mandray anjara amin’izany. Araka ny fanazavan’i Lalatiana Robine, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Fondation Terra fa tokantrano 13 eo no mpifaninana ary mandritra ny roa volana ny faharetan’ny fifaninanana. Isan-kerinandro dia hahazo fiofanana ireo mpifaninana ka lohahevitra ho resahana amin’izany ny fanadiovana, ny fahadiovana sy ny fahasalamana, ny fandaminana.  Amin’ny alalan’ny sary maneho ny fahadiovana, fandaminana, alefan’ny mpandray anjara no hitsarana azy ireo.  Hisy ihany koa ny fitsidihana tsy misy fampilazana  ny tokantranon’izy ireo ary anisany hahazoana naoty izany. Izay manana  naoty ambony indrindra no mahazo ny loka voalohany: 2 tapitrisa Ariary miampy ny amboara “Clean Family Terra”. 500.000 Ariary kosa ny ny loka  ho an’ny laharana faharoa.

Hetsika manaraka

Tao anatin’ny telo taona no niketrahana ny Fondation Terra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 11 septambra 2021 teny Ambodimita ny fijoroan’ity fikambanana ara-tsosialy an’ny Terra Group ity. Misy orinasa telo mivondrona ao amin’ny Terra Group dia ny Agricom, mpamokatra, mpamatsy fanafody sy fitaovana momba ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana; ny  Ferme d’Ivato, mampiasa fanafody biolojika, mamokatra huile essentielle, legioma, voankazo; ny  hôtel Combava”, hoy i Lalatiana Robine, Tale jeneralin’ny Terra Group. “Niforona ny Fondation Terra noho ny  fahatsapan’ny mpiara-miasa fa mila mandray andraikitra, tsy eo anivon’ny orinasa ihany fa eo amin’ny fiainana andavanandro. Mila mandray andraikitra hampiova fomba fijery, fomba fanao”, hoy ity tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Fondation Terra ity. Nambarany fa “mandroso miaraka hatrany” ny vinan’ny Fondation. Fanatsarana ny tontolo ambanivohitra ny hetsika manaraka ho karakarain’ny fikambanana aorian’ity  Cleaning Challenge ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *