Socio-eco

CITE Ambatonakanga : 405 mena nilaozan’ny «frein»


Alahady maraina fidirana na firavan’ny mpiangona arakaraka ny fiangonana, manodidina ny tamy 9 ora maraina, no niborotsaka “frein” tampoka ny fiara Peugeot 405 mena iray.

Raha ny hita teny an-toerana dia toa tsy nisy ny aina nafoy na naratra mafy. Azo heverina fa nandalo ny CITE Ambatonakanga iny no nitranga ny tsy nampoizina ka nanao bemidina ilay fiara. Hany herin’izay namily azy dia nisafidy ny fiantefana tamina fototra andrin-jiro JIRAMA mitondra tariby misy herimbaratra. Izay angamba no noheveriny fa tsy nanimba fiaran’olon-kafa sy tsy nandona olona. Ny saika loza henjana raha nidaraboka tanteraka ilay “poteau” ka tapaka ireo tariby mitondra “courant”, dia sanatriavina mety ho nandratra na namono olona maro.

Na dia alahady maraina aza ny andro, dia tena maro olona miaka-midina iny lalana fidinamben’ny CITE mamonjy an’Ambohijatovo iny. Anisan’ireny ny mpiangona ao Ambatonakanga, Amparibe, Ambatovinaky, ary La Haute-Ville. Soa fa tsy nirehitra koa ilay fiara fa tonga dia namonotena (calé) ny môtera. Mbola tsara tokoa ilay fiara fa rehefa ho avy moa ny tsy mety dia izay ilay lazaina fa nidiran’andro.

Na izany na tsy izany dia arahabaina tsy nisy maty fo aman’aina na ny tanaty fiara na ny mpandalo.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *