Socio-eco

CINEDAYS: Misitraka ny fahaiza-manaon’ny Orange ny CanalOlympia Iarivo


Ao anatin’ny paikady ahafahan’ny daholobe mijery sarimihetsika ny fiarahamiasa eo amin’ny Orange sy ny CanalOlympia.  Manomboka izao dia mahazo tombontsoa manokana ireo mampiasa ny karatra SIM Orange noho ny fisian’ny tolotra “cinédays”. Nampahafantarina ny 25 septambra 2019 teny Andohatapenaka fa isaky talata sy ny alarobia dia mahazo toerana iray maimaim-poana izay rehetra mividy tapakila hijerena sarimihetsika ao amin’ny CanalOlympia Iarivo etsy Andohatapenaka. Amin’ny alalan’ny fandefasana SMS amin’ny nomerao 510 ny soratra hoe: CINEA2 na ny fampiasana ny application Za sy Orange no fepetra takiana hahazoana io tolotra io. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar  fa tsara kokoa raha olon-droa no miaraka mijery sarimihetsika ka izay indrindra no anton’izao fiarahamiasa izao. Eo ihany koa ny fampiroboroboana sarimihetsika eto Madagasikara.  Ankoatra izany dia misitraka ny fahaiza-manaon’ny Orange ny CanalOlympia manomboka izao. Amin’ny alalan’ny Orange Studio dia hanampy amin’ny fanomezana sarimihetsika  eraopeanina sy afrikanina ity ratsa-mangaikan’ny tambazotram-pifandraisana ity.

Amin’ny maha tambozatra voalohany  momba ny trano fijerena sarimihetsika eto Afrika an’i CanalOlympia dia hanome hatrany ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy sarimihetsika ry zareo. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Canal Plus Madagascar, Razafindrakoto Onjatiana  fa karazana sarimihetsika frantsay, amerikanina, afrikanina ary  ho an’ny tanora  no alefa eny Andohatapenaka. Nohamafisiny fa 10.000 Ariary ny fidirana ho an’ny olon-dehibe ary 7000 Ariary ny an’ny ankizy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *