Socio-eco

CIMENT COLLE RAIKITRA : Tsy mampiasa fasika intsony, mihena ny fandaniana, vita haingana ny asa


Mampiasa simenitra, fasika ary rano rehefa hametaka « carreaux ». Mihena kosa ny fandaniana raha mampiasa « ciment colle Raikitra ». Vokatra vaovao vokarin’ny Cementis Madagascar izy ity. Nampahafantarina teny amin’ny « Salon international de l’Habitat », omaly 20 oktobra 2023, teny amin’ny Hazovato Forello Expo ny fisiany. Simenitra ampiasaina amin’ny fametahana “carreaux” ny « ciment colle Raikitra ». Tsy mampiasa fasika intsony fa tonga dia ampiana rano io simenitra io ary  ampiasaina hametahana ilay “carreaux”. 25 kg ny lanjan’ny iray gony ary mahavita velarana 5m2. Mihena ny fandaniana, tsara kokoa ny endriky ny asa vita ary aingana kokoa ny mametaka “carreaux” raha mampiasa azy. “Lalotra manify  dia efa mipetaka, mihena ny simenitra latsaka, madio be ny carreaux.  Aingana kokoa  ny mametaka carreaux. Raha adiny ny iray , ohatra, vao mahavita mametaka carreaux 6 m2 amin’ny barbotine tsotra, 5 heny latsak’izay  raha ciment colle Raikitra. Mahazo tombony kokoa amin’ny karaman’ny mpametaka sy hafainganan’ny asa”, hoy i Ranaivoson Lova, tomponandriakitry ny Marketing ao amin’ny Cementis, manazava ny tombontsoa amin’ny fampiasana io vokatra vaovao io. Ho hita eny amin’ny ozinina any Ibity  ny vokatra manomboka ny volana novambra 2023. Ho aparitaka  eto Antananarivo manomboka ny volana janoary 2024. Hitohy  any amin’ny faritra hafa ny fanaparitahana azy aorian’izay. Mbola tsy nivoaka ny vidiny fa tsy mifanalavitra amin’ny vidiny eny an-tsena kosa, raha ny fanazavana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *