Socio-eco

CEPE 2022: Nizara sakafo mafana ho an’ny mpiadina sy mpandraharaha miisa 1600 ny kaominina Alasora


Hetsika fanaon’ny kaominina Alasora isan-taona ny mizara sakafo mafana ho an’ireo ankizy mpanala fanadinana CEPE. Mpiadina sy mpandraharaha miisa 1600 no nahazo izany nandritra  CEPE 2022. Vary sy laoka (trondro saosy) miampy tsindrin-tsakafo  no natolotrin’ny Ben’ny tanàna sy vadiny niaraka tamin’ireo mpiaramiasa aminy ny 21 jona 2022 teny amin’ireo foibem-panadinana teny amin’ny kaominina Alasora. « Nanomboka tamin’ny taona 2020 ny kaominina no namahana ankizy manala fanadinana. Sakafo mafana sy ara-pahasalamana no nomena azy ireo. Hanalàna fahasahiranana ny Ray aman-dreniny amin’ny fikarakarana sakafo sy hitovian’ny sakafon’ny mpiadina mba tsy hisian’ny fahamenarana ary mba hiatrika am-pitoniana ny fanadinana tapak’andro hariva no antony nanaovana izao hetsika izao », hoy ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy. Araka ny fanazavany dia 8 tapitrisa Ariary ny tetibola natokan’ny kaominina tamin’ity hetsika ara-tsosialy nandritra CEPE 2022 ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *