Socio-eco

CENTRE MAMAN KANGOUROU: Nitombo iray indray


Fitsaboana avo lenta mampitombo haingana ny zaza tsy tonga volana sy tsy ampy lanja ny “maman kangourou”. Mihoatra lavitra ny vokatry ny fitsaboana amin’ny alalan’ny « couveuse » ity fitsaboana amin’ny alalan’ny hafanan’ny reny ity.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 01 martsa 2018 ny ivon-toerana faha-valo ho an’ny “maman kangourou”. Ny hopitaly miaramila Soavinandriana (HOMI) no nisitraka izany. Ny fiarahamiasan’ny fikambanana “Compassion Madagascar” tamin’ny “Orange Solidarité” no nahafahana nanokatra ivon-toerana handraisana ireo zaza tsy tonga volana sy tsy ampy lanja tahaka itony. Nambaran’ny filohan’ny “Compassion”, Elodie Prisca Ranjanoro, fa tsara lavitra noho ny “couveuse” ny vokatra entin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny “maman kangourou”. Mahay mifandray aman’olona kokoa ireo zaza. Mivelatra kokoa ara-tsaina na ara-batana na ara-tsosialy.
Fanamby ho an’ny « Orange Solidarité » ny hananan’ny rehetra fahasalamana, indrindra ny reny sy ny zaza. « Tsy mijanona amin’ny maha-orinasa ara-barotra azy fotsiny ny « Orange » fa tomponandraikitra ihany koa. Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fikambanana ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny rehetra », hoy ny filohan’ny « Orange Solidarité », Josie Randriambeloma. Ivon-toerana fito no efa vita talohan’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity ivon-toerana faha-valo ity, ho an’ny faritra Analamanga. Araka ny vinavinan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ho aparitaka manerana ireo hopitalim-panjakana eto Madagasikara ny ivon-toerana « maman kangourou ». Tafiditra ao anatin’ny politika hampihenana ny tahan’ny zaza maty vao teraka rahateo izany.
Nirina R.

Horonan-tsary