Socio-eco

CENTRE DE FORMATION EN LANGUE CHINOISE (CFLC) : Manana tombony kokoa ny olona mahay teny sinoa


“Tsy sarotra ny teny sinoa”. Efa betsaka ny sehatra sy orinasa mila mpiasa mahay teny sinoa eto Madagasikara. Ankoatra ny fahaizana teny anglisy sy frantsay dia manana tombony kokoa noho izany ireo mahay teny sinoa. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Centre de Formation en Langue Chinoise (CFLC), Rahoilisoa Andriniaina fa mivelatra be ny toekaren’ny sinoa . “Efa fantatry ny sinoa ny lazan’i Madagasikara amin’ny resaka  fizahantany . Mila mpiseradia mahay teny sinoa isika amin’izao. Betsaka ny orinasa no mila mpiasa mahay teny sinoa ohatra any amin’ny zone franche, tour opérateur . Any amin’ny banky  dia efa misy mpiasa natokana mandray ny mpanjifa sinoa”, hoy izy. Ankoatra izany, miainga any Chine ny entana rehetra amidy eto Madagasikara. Ilaina ny mahay teny sinoa raha te hivelatra amin’ity resaka varotra ity.

Ho an’izay liana amin’ny fianarana teny sinoa dia afaka mampiofana izany ny CFLC eny Amparibe. Ao anatin’ny fito (07) volana monja dia mahazo ny mari-pahaizana iraisam-pirenena ny mpiofana. “Fito volana ny fianarana ary ahazoana certificat international HSK1 ka hatramin’ny HSK4. Tsy sarotra ny fianarana teny sinoa fa mila fahazotoana sy fahavitrihina”, hoy Rahoilisoa Andriniaina. Nambarany fa mandray ankizy, tanora, antitra na ihany koa efa nahazo mari-pahaizana iraisam-pirenena fa te hanamafy ny fahaizany ny ivon-toerana. Ny 4 sy ny 5 aprily 2022 ny fidirana manaraka. 70.000 Ariary isam-bolana ny saram-pianarana ho an’ny ankizy ary 75.000 Ariary ho an’ny olon-dehibe. Mandray anjara amin’ny “Salon des études internationales”, eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka ny CFLC raha mila fanazavana fanampiny. Marihina fa hifarana androany 17 martsa 2022 ity salon ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *