Socio-eco

CENTRE DE FORMATION EN LANGUE CHINOISE (CFLC): Hanokatra sekoly ambony momba teny sinoa sy fizahantany


Feno valo  taona ny Centre de Formation en Langue Chinoise (CFLC). Nankalaza izany ny sekoly ny 5 Aprily 2022 tetsy amin’ny foibeny Amparibe. Nandritra io fotoana io no nizarana ny loka ho an’ireo tsara vintana nandray anjara tamin’ny lalao fisarihana nokarakaraina nandritra ny « salon des études internationales ». Olona telo  no voasarika ka fampiofanana teny sinoa maimaimpoana eo anelanelan’ny iray ka hatramin’ny telo  volana ny loka azon’izy ireo. Ankoatra izay dia nozaraina nandritra fankalazana ny faha-valo taonan’ny CFLC ihany koa ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra miisa 40 nahavita fiofanana momba ny teny sinoa nandritra ny fito  volana. Manana ny fari-pahaizana HSK4 izy ireo ankehitriny. Nambaran’ny tomponandraikitry ny CFLC, Rahoilisoa Andriniaina  fa namoaka mpianatra miisa 1000 mahery ny sekoly tao anatin’izay valo taona  izay.  » Ezaka manaraka ary ho  tanterahina ato ho ato ny fampiakarana ny fari-pahaizana ny mpianatra ho tonga HSK5. Manantena izahay fa ireo mpianatra 1000 nivoaka tato dia hanohy ny HSK5″, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany dia  betsaka ny orinasa na sehatr’asa mitady olona mahay  teny sinoa eto Madagasikara. Manoloana izany indrindra dia Manana vina hanokatra sekoly ambony momba ny teny sinoa sy fizahantany ihany koa ny CFLC.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *