Socio-eco

CARREFOUR DES ENTREPRENEURS DE L’OCEAN INDIEN : Manamafy ny fampifandraisana ireo mpandraharaha manerana ny ranomasimbe Indiana


Tsy ampy ny fifandraisana ara-barotra sy fiarahamiasa eo amin’ireo Nosy manodidina ny ranomasimbe Indiana. Hany ka avy any ivelany avokoa ny 97 % ny entana miditra aty amin’ny ranomasimbe Indiana ary 3 %  monja ny entana mivoaka, araka ny fanazavan’i Xavier Desplanques, Filohan’ny  fikambanana Carrefour des Entrepreneurs de l’Océan Indien (CEOI). Ho fanamafisana ny fifandraisain’ireo mpandraharaha manerana ny Ranomasimbe Indiana indrindra no antom-pisian’ny CEOI ho fampiroboroboana ny fandraharahana amin’ireo Nosy manodidina (Madagasikara, La Réunion, Comores, Seychelles, Mayotte, Maurice). Nikarakara fihaonana « Apéritif- Rencontres » ny fikambanana, ny alin’ny alarobia 22 mey 2024, teny amin’ny Motel Anosy ho famaranana ny taom-piasana 2023-2024.  Nanatrika izany ireo mpandraharaha avy eto Madagasikara sy ireo nosy rahavavy toa an’i Maorisy, La Réunion… Namaly ny fanasana nataon’ny fikambanana ihany koa ny « Club  des Exportateurs de la région Bordeaux Aquitaine -CCI Bordeaux », mpiara-miasa mahatoky ny fikambanana nandritra ny 20 taona mahery. Hita teny an-toerana ihany koa ireo tomponandraikitry ny CEOI isaky ny Nosy, ny delegasionan’ny Vondrona Eraopeanina miasa eto Madagasikara, notarihan’i Arnaud Borchard, Lehiben’ny fiarahamiasa ary ny Ambasadaorin’i Frantsa miasa eto amintsika. Nanasa ireo Ben’ny tanàna manerana ireo renivohi-paritany eto Madagasikara ny fikambanana fa nanome teny fialatsiny izy ireo fa tsy afaka noho ny fifidianana  solombavambahoaka sy ny faharatsian’ny lalana. Fanirian’ny CEOI ny ho isan’ireo fikambanana lehibe momba ny fandraharahana ary « efa tanteraka izany ». Tafiakatra 1100 ny lehibena orinasa mpikambana ao aminy. « Carrefour des Entrepreneurs Français » no niandohan’ny  fikambanana taloha fa niova ho CEOI izany. Mankalaza ny faha-25 taonany ny fikambanana amin’ny taona 2025.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *