Doka

CANAL+: Nitondra fanovàna goavana eo amin’ny tolotra sy ny sarany


Mivoatra be ny tolotra ao amin’ny CANAL+. Nitondra fanovàna goavana eo amin’ny “contenu” sy ny saran’ireo tolotra isan-karazany ny orinasa.  Manomboka ny alatsinainy 11 septambra 2023 dia mivadika ho TOUT CANAL + ny tolotra EVASION + ary azo jifaina amin’ny vidiny 120.000 Ariary raha toa ka 200.000 Ariary izany teo aloha. Afaka mijery ny “chaînes” rehetra ny mpanjifa amin’ity tolotra ity sady mbola mahazo “chaînes” 25 fanampiny, natao ho an’ny fianakaviana iray manontolo toy ny France 3, France 5, chaînes telo an’ny  BEIN Sportireo chaînes rehetra an’ny  CINE +, SEASONS, ARTE, PARIS PREMIERE, MEZZO… Fanampian’izay, tafiditra ao anatin’ireo mahazo ny “carré VIP” avy hatrany izay mividy ity tolotra ity: maimaim-poana ny “services après vente”, laharam-pamehana izy ireo rehefa mankeny amin’ny botika. Fiovàna faharoa nentin’ny orinasa  ny tolotra ESSENTIEL + izay miova ho ACCESS +, amin’ny sarany 80.000 Ariary. Afaka mahita ireo “chaînes” rehetra ny mpanjifa ary mbola miampy “chaînes” vaovao miisa 38, natao ho an’ny fianankaviana iray manontolo toy ny novelas TV, W9, C8, Action, Disney Channel, Télétoon +, Ludikids, Nathan +,  chaîne documentaire (planète +, UshuaiaTV). 55.000 Ariary ny tolotra ho an’ny EVASION + ary 35.000 Ariary ny ACCESS. Afaka mijery ny tolotra ao amin’ny “TOUT CANAL + “ mandritra ny fito andro ny mpanjifa raha mandoa “réabonnement” mialoha, manomboka ami’ny tolotra ACCESS.

Zava-baovao entin’ny Canal+ manomboka amin’ity volana septambra ity ihany koa ny fanatsarana ireo “contenu” natao ho an’ny fianakaviana iray manontolo. Anisan’izany ny fandaharana natao ho an’ny mpankafy fanatanjahantena, horonantsary sy tantara mitohy ary ny fandaharana momba ny fampianarana natao ho an’ny ankizy. “Ho an’ny mpankafy baolina kitra ohatra dia “vaovao be ao amin’ny Canal+  ny lalao Saudi Pro League izay ahitana  ireo mpilalao baolina  erantany sy matihanina indrindra. Amin’izao fidiran’ny mpianatra izao dia manana fandaharana ho an’ny ankziy sy ny hanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ny Canal+. Mandeha ao amin’ny Nathan + ireo fandaharana mampianatra momba ny taranja kajy, tantara sy jeografia, frantsay, siansa…”, hoy i Razafindrakoto Onjatiana, Tale Jeneralin’ny Canal+, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny zoma 8 septambra 2023. Ankoatra izany,  hiverina handeha ny UEFA champion’s league. Ny 19 sy 20 septembra 2023 ny andro voalohany. Ny 15 septambra ny lalao hifanandrinan’ny Bayern vs Leverkusen amin’ny  fifaninanana Bundesliga. Santionany amin’ny taranja baolina kitra ireo fa raha ny fanatanjahatena mekanika no resahana dia handefa « Grand prix de F1 Singapour » ny Canal+. Ho an’ny tantara mitohy kosa dia handeha ao amin’ny canal 30 manomboka ny 16 septambra 2023 ny tantara mitondra ny lohateny hoe « Innocence ».  Ahafahan’ny mpanjfa mianoka fialamboly tsy manam-paharoa no tena noho anton’izao fanavaozana izao.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *