Sport

CAN 2023: Mandefa ireo lalao 2 voalohany ataon’ny Barea ny StarTimes


Afaka manaraka ny lalao fifanintsanana ho an’ny CAN 2023 amin’ny alalan’ny StarTimes ireo mpankafy baolina kitra eto Madagasikara manomboka ny 01 jona 2022. Chaînes miisa efatra no mandefa izany: ST World football, St sport premium, ST Sports life  ary ny  St Spots Arena amin’ny kalitao HD (haute définition) .Vaovao lehibe ho an’ny mpitia baolina kitra ihany koa fa mandefa ireo lalao roa voalohany ataon’ny Barea ny StarTimes. Ao amin’ny “chaines” ST world football sy St sports Life no ahitana izany. Mba ahafahan’ny rehetra manohana ny ekipam-pirenena malagasy dia natao mirary ny vidin’ny décodeur.“50.000 Ariary ny décodeur ho an’ny eto Antananarivo ary 60.000 Ariary ny kit TNT, afaka ampiasaina manerana an’i Madagasikara. Efa misy abonnement iray volana maimaimpoana izany mba ahafahana manaraka ny lalao fifanintsanana ho an’ny CAN 2023 sy ireo fandaharana rehetra ao amin’ny StarTimes”, hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitrin’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny StarTimes Madagasikara. Ho an’ireo mpanjifan’ny StarTimes hatramin’izay dia afaka mijery ny lalao rehetra ao amin’ny bouquet classic sy Super amin’ny vidiny 45.000 Ariary isam-bolana.

Mbola manohy manatanteraka ny fampanantenana nataony ity orinasa ity dia fanjifana ny televioziona nomerika amin’ny vidiny mirary. “Afaka mividy abonnement isam-bolana na isan-kerinandro na isan’andro ny mpanjifa. 2500 Ariary ny vidin’ny abonnement isan’andro ho an’ny bouquet smart na basic. 4500 Ariary kosa ho an’ny bouquet super na classic. 9000 Ariary ho an’ny isan-kerinandro raha smart/Basic ary 18 000 Ariary ny super/ classic”, araka ny fanazavan’i Zafera Joyce hatrany. Tsy mitsahatra mikaroka tolotra mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia ity orinasa misehatra amin’ny televiziona nomerika ity ka amin’izao fotoana izao dia azo arahina amin’ny alalan’ny finday ireo lalao fifanintsanana ho an’ny CAN 2023. Amin’ny alalan’ny application StarTimes ON no hijerena izany ary             afaka manaraka fandaharana miisa efatra amin’ny alalan’ny fitaovana samy hafa ny mpanjifa noho ny fisian’ny tolotra VIP. Azo jifaina isan’andro, isan-kerinandro ary isam-bolana ihany koa ny StarTimes ON. “Tsy misy antony tsy hanarahana ny lalao fifanintsanana CAN 2023 intsony raha ireo tolotra ireo. Andao hanohana ny ekipam-pirenena. Andao hanohana ireo mpandimby ny hoavin’ny baolina kitra mandritra ny lalao famaranana ny Pro League ny 12 jona 2022 ao amin’ny chaîne GasyStar TV”.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *