Sport

CAN 2019: Mijanona eo amin’ny laharana faharoa ny Barea


Boribory tokoa ny baolina ary tsy nanam-po ny vokatra ny mpitia baolina kitra malagasy. Resin’ny ekipa-pirenena avy any Soudan tamin’ny isa 1 no 3 ny Barean’i Madagasikara teny amin’ny kianjan’ny Cnaps Sport Vontovorina omaly Alahady 18 Novambra 2018. Faharesena voalohany ho an’ny ekipa-pirenena malagasy iny lalao omaly iny teo amin’ity fifanitsanana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika atao any Cameroun ity ny taona 2019( CAN 2019 ).  Mijanona eo amin’ny laharana faharoa izany ny laharana misy an’i Barea amin’ity vondrona A ity ary voalohany kosa ny Senegaly manana isa 13 satria nandresy an’i Guinée équatorial tamin’ny isa 1 no 0 . « Voa fetaka izahay androany fa anjaranay tsirairay no mieritreritra sy mandinika ny hanarenana ny ho avy. Izay mitambatra vato izay misaraka fasika. Ifonako ny hadisoanay. Mba hahay andray lesona hibanjinana ny ho avy iny vokatra iny », hoy ny kapiten’ny Barea, faneva Ima.  Ny faharesena tokoa dia tokony hijerena ireo lesoka mila  harenina satria tsy mora izany miatrika ny CAN izany ka mila fiomanana tsara. Manana volana maromaro isika hanitsiana ny tsy mety.

Tsy ambinina

Roa minitra monja niantombohan’ny lalao dia nahatafiditra ny baolina voalohany ny Soudan tamin’ny alalan’i Mohamed. Nampiseho endrin-dalao nahafinaritra ny Barea ary nanindry hatrany fa tsy ambinina amin’ny fampidiram-baolina. Nihanona tamin’ny valim-panafihana ny ekipan’i Soudan. Tandrevaka teo amin’ny vodilaharana kosa no nampidiran’i laharana 17, Mohamed Abakar minitra faha 61. Nitohy hatrany ny fanafihana nataon’ny ekipa-pirenena malagasy ka nahita baolina iray i Carolus minitra 76 izay dimy minitra nidirana ny kianja. Nahatafiditra baolina fahatelo ny vahiny tany amin’ny 84 minitra tamin’ny alalan’i Yazir Mohamed.

Marihana fa mbola hisy ny fihaonana eo amin’ny Senegaly amin’ny volana Martsa 2019 atao any an-toerana eo anelanelan’ny 22 sy 25 volana Martsa  amin’ny andro fahaenina sady farany amin’ity fifanitsanana CAN 2019 ity.

Nirina R.


One comment on “CAN 2019: Mijanona eo amin’ny laharana faharoa ny Barea

  1. Pingback: CAN 2019: Mijanona eo amin’ny laharana faharoa ny Barea - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *