Impito misesy no nahazoan’ny FTHM Consulting ny ISO 9001. Orinasa miisa 700, miparitaka amin’ny firenena 30 no efa nahazo tombontsoa tamin’ny fisian’ny FTHM Consulting nandritra ny 30 taona nisiany teto Madagasikara. Orinasa mpanolontsaina amin’ny lafiny fitantanana, ao anatin’izany ny famolavolana paikady (stratégie), marketing, fitantanana ara-bola, fitantanana olona, « système d’information », fanarahamaso (audit) ity orinasa ity. Nahazo fanamarinana ISO 9001 : 2015 ny orinasa. Natolotry ny fikambanana iraisam-pirenena SGS tamin’ny fomba ofisialy ny 31 Jolay 2025, ary ny mpitantana ny SGS Madagascar, Daniel Julie, no nanolotra izany. « Ity certificat ISO 9001 : 2015 ity dia manamarina fa afa-po tokoa ny mpanjifa tamin’ny kalitaon’ny asa notanterahan’ny FTHM. Tsy tanjona ny certificat fa ny tanjona dia ny hanatsarana mandrakariva ny fomba fiasa », hoy i Rajaona Thierry, mpanorina sy mpiara-mitantana ny FTHM Consulting, nandritra ny fanoloran’ny SGS izany.
Orinasa iraisam-pirenena misahana amin’ny fanomezana fanamarinana ho an’ny orinasal ny SGS. « Manamafy ny fandraisana andraikitra ny FTHM amin’ny fitazomana ny rafi-pitantanana manana kalitao mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny fanavaozana ny fahazoana fanamarinana tahaka izao », hoy i Daniel Julie, Manager ny SGS Madagascar.
Ny taona 2007 no nahazo ny « certification » ISO 9001 ny FTHM ka izy irery no orinasa mpanolontsaina eto Madagasikara sy Afrika nahazo izany. Fanamarinana fahafito azony ity vao nomena vao haingana ity. Anisany antony ahazoana ny certification ISO 9001: 2015 ny fahaizana mitana ny kalitaon’ny fitantanana eo anivon’ny orinasa.
Ra-Nirina



