Tolotra mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Nohatsaraina ny tolotra internet 4G ao Blueline mba ahafahan’ny daholobe mampiasa internet. Lasa amin’ny vidin’ny 49.000 Ariary isam-bolana ny 200 Go ary 99.000 Ariary isam-bolana ny 500 Go. Samy misy « engagement » 12 volana ireo tolotra roa ireo. Manana tolotra tsy misy « engagement » ihany koa ny orinasa: 199.000 Ariary isam-bolana. « Ny tolotra an’ny Blueline no mora indrindra raha eo amin’ny tsenan’ny 4G. Raha nampiakatra ny saran’ny internet teo amin’ny tolotra 4G ny orinasam-pifandraisan-davitra hafa, ny aprily 2024 dia nisafidy ny mifanohitra amin’izany izahay: nampidina ny saran’ny tolotra 4G », hoy i Julien Lorel, Tale ara-barotry ny Blueline, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 25 aprily 2025, teny Andranobevava. Nambarany fa tao anatin’ny taona iray dia nitombo avo 12 heny ny mpanjifa ny 4G tao amin’ny orinasa. « Midika izany fa mitady tolotra mifanaraka amin’ny fahefa-mividiny ny olona mba ahafahana mampiasa ny internet », hoy izy. Nanamafy ihany koa i Rapanoelina Jenny, tomponandraikitry ny serasera, fa mora kokoa ny tolotra 4G an’ny Blueline raha oharina amin’ny habetsaky ny « data » sy ny saran’izany. « Manaporofo ny fandraisana andraikitray eo amin’ny fanamorana ny fahafahan’ny daholobe misitraka internet ity fanavaozana ny tolotra 4G ity », hoy izy. Natokana indrindra ho an’ny olona tsirairay amin’ny fampiasana andavanandro, toy ny fikirakirana ny internet, fihainoana horonam-peo, fanarahana fianarana ampitain-davitra, fikirakirana ny tambajotra sosialy, fividianana sy fivarotana an-tserasera ity tolotra ity.
Nampahafantarina tamin’io fotoana io ihany koa ny fisian’ny « box internet » vaovao an’ny Blueline. « Ity box internet vaovao ity no manolo ilay teo aloha. Ny mampiavaka azy dia ny afaka mampiasa internet na tapaka aza ny jiro, satria maharitra adiny valo eo izy na tsy misy herinaratra aza. Manampy amin’ny fahazoana tsara kokoa ny 4G ao anatin’ny trano sy fizarana Wi-Fi ihany koa ny fisian’ny antenne fanampiny », hoy i Julien Lorel.
Ra-Nirina