politique

BIRAOM-PIFIDIANANA CEG FALIARIVO AMPITATAFIKA: Bileta tokana ho an’ny ben’ny tanàna miisa 24 nahitana « rangotra stylo »


27 novambra 2019, fifidianana ho ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna. Toy ny fanao isaky ny fifidianana dia manao fitsirihana biraom-pifidianana vitsivitsy ireo mpanara-maso iraisam-pirenena  momba ny fifidianana izay tarihin’ny filohan’ny CENI (vaomiera mahaleo mikarakara ny fifidianana), Rakotomanana Hery. Biraom-pifidianana teny amin’ny kaominina Ampitatafika, Alakamisy Fenoarivo, Ambatomirahavavy ary Imerintsiatosika no nalehan’izy ireo androany. Raha ny zava-nitranga teny amin’ny biraom-pifidianana CEG Faliarivo Ampitatafika, efitrano faharoa dia naato ny fifidianana taorian’ny fahafantarana fa nisy ny bileta tokana, ho an’ny kandida ben’ny tanana, nahitana “rangotra stylo”. 24 ny isan’ireo bileta ireo. Nisy bileta vitsivitsy ho an’ny lisitra mpanolontsaina ihany koa nahitana io rangotra io.

“Eo indrindra no mampanontany tena anay satria raha vao nandray ny boky misy ireo bileta tokana ireo aho dia niteny  tamin’ny sekretera hoe: alohan’ny andraisana ny bileta dia asaivo jeren’ireo mpanaramaso ny fifidianana ireo aloha”, hoy ny filohan’ny biraom-pifidianana. Rehefa nanontaniana  ireo delegen’ireo kandida dia nambaran’izy ireo fa mpiasan’ny CENI andeha hifidy no nahita voalohany fa misy “rangotra” ilay bileta ka nojerena avokoa ny ambiny avy eo. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa talohan’ny nampiasana ny boky misy  ireo bileta tokana  ireo dia niara-nanamarina  io boky io niaraka tamin’ny mpikambana misahana ny biraom-pifidianana efitrano faharoa izy ireo ka “tsy mbola nahita io rangotra io”.

Tamin’ny 10 ora sy 40 minitra teo no tonga teny amin’ny CEG Faliarivo ny filohan’ny CENI ka nanontany ny zava-nitranga ary niteny tamin’ny filohan’ny biraom-pifidianana mba hanoratra io zava-misy io ao anatin’ny fitanana an-tsoratra (PV) ary hanohy ny fifidianana. Nambaran-dRakotomanana Hery fa mety ho tonga hatrany amin’ny ady heloka ity tranga iray ity. Ho hita eo ny tohiny ny tantara fa amin’ny ankapobeny dia nilamina ny fizotry ny fifidianana ho an’ny tapak’andro maraina, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI hatrany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *