Socio-eco

BIRAO VAOVAON’NY ANTENIMIERAN’NY VAROTRA SY INDOSTRIA: Mila mifanohana ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana


16 aty aoriana vao nisy indray ny fifidianana ny  birao vaovao hitantana ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Antananarivo (CCIA). Lany ho Filohan’ny CCIA vaovao  Rakotondrasanjy Rivo.  Filoha lefitra i Amiraly HASSIM,  Andriamasy Rajaonarivelo Herintsalama ary Razafintsalama Gil. Mitàna ny andraikitrin’ny mpanolontsaina kosa Andriamampita Njaka, Andriamamonjiarison Joséphine Soanorondriaka,  Andriamijoro Harinivoson Mino,  Rabarijaona Maurice, Rajaonarivelo Herintsalama,  Ravatomanga Maminiaina  ary Razanamasy Rakoto Rahasinina Andrianjo.  Notontosaina ny  zoma 07 oktobra 2022 teny Antaninarenina ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana vaovao. Nanome voninahitra ny lanonana ny Ministrin’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana. « Amin’ireo rantsamangaika ato amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana dia ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria no anisan’ny anankinana andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny toe-karena, araka izay tandrify azy. Lehibe indrindra amin’izany ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina. Nametraka izany ho zava-dehibe amin’ny velirano nataony ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry  ary fanatanterahana izany ny fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny fikaonan-doha iarahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina”, hoy ny Ministra Razafindravahy Edgard.  Nambaran’ny Filohan’ny CCIA, Rakotondrasanjy Rivo  fa milofo amin’ny fanatsarana ny fandraharahana ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ary “tena miara-miasa akaiky amin’ny ministera izay nametrahan’ny Filoham-pirenena  ny fanatanterahana ny fampandrosoana eo amin’ny sehatra tsy miankina”.  Nohamafisiny fa mandalo fotoan-tsarotra ny fandraharahana sy ny toe-karena  erantany ka mila mifanohana ny sehatra tsy miankina sy ny ministera eo amin’ny  fanatsarana  ny vidin’entana, ny fampirobroboana ny indostria, ny  fananganana indostria vaovao izay efa natomboka. “Hotohizana amin’ izao andraikitra vaovao izany ary mino aho fa hahazo vahana bebe kokoa izany”, hoy hatrany ny mpitarika ny birao vaovao misahana ny CCIA.  4 taona no fe-potoam-piasan’ny biraon’ny CCIA. Ny birao teo aloha notarihan-dRamatoa Randriamamonjiarisoa Joséphine no nampandeha ny raharaha  nandritra ny 16 taona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *