Socio-eco

BANKY SIPEM : Afaka misintona vola ao amin’ny kaonty banky na mandrotsaka vola amin’ny alalan’ny Orange Money ny mpanjifa


Manamora ny fikirakirana vola eny amin’ny banky ny fampifandraisana ny kaonty amin’ny  alalan’ny « mobile banking » na antsoina hoe : Bank to Wallet . Nitomba iray indray ny banky  miara-miasa amin’ny Orange Money.  Nanomboka ny 27 Aprily 2023, afaka mampifandray ny kaonty banky sy ny kaonty Orange Money ny mpanjifan’ny SIPEM. Indray mandeha makeny amin’ny banky SIPEM ihany ny mpanjifa no mampifandray ny kaonty bankiny sy ny Orange Money. Afaka misintona na mandrotsaka vola amin’ny alalan’ny Orange Money izy ireo fa tsy voatery mankeny amin’ny banky. «Raha mila vola maika ka any amin’ny toerana tsy misy banky dia afaka misintona vola amin’ny Orange Money», hoy Rakotomanana Jenny, Project Manager  ao amin’ny Orange Money. Manana toeram-pivarotana 15.000 manerana an’i Madagasikara ny Orange  Money hanaovana izany. Ankoatra izany dia afaka mijery ny toe-bolany sy ny hetsika 5 farany ireo mpanjifa ary maimaim-poana ny fijerena izany.  Manome fanazavana misimisy kokoa momba izany ny fanindriana  ny #144#  na ny fampiasana ny  application Orange Money, mety amin’ny finday Android  sy iOS. «Ao anatin’ny paikady hanamorana ny fahafahan’ny rehetra mikirakira vola ny fampifandraisana ny kaonty banky sy kaonty Orange Money. Afaka misitraka ireo tolotra omen’ny Orange Money ny mpanjifan’ny SIPEM manomboka izao», hoy i Mathieu Berthelot, Tale Jeneralin’ny Orange Money nandritra fampahafantarana ny fiarahamiasan’ny roa tonta, ny 27 Aprily 2023 teny Ankorondrano. Marihina  fa banky 5 sy orinasa fampidramam-bola madinika miisa 6 no efa miara-miasa amin’ny Orange Money amin’izao fotoana izao.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *