Vita ny fanomanana ny fanatontosana ny laza adina rehetra ho an’ny fanadinana bakalorea izay hanomboka ny 19 oktobra 2020 ho avy izao. « Efa tonga any amin’ny foibem-panadinana manerana ny Nosy izany. Voahaja ny fepetra rehetra hanatanterahana izany. Nampitomboana avo roa heny ny zandary niambina ny toeram-pihibohana nanaovana ny laza adina”, hoy Tale jeneralin’ny fampianarana ambony, Rajaonarison François, ny 16 oktobra 2020 teny amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Nambarany ihany koa fa ao anatin’ny fanondrahana ranom-panafody eny amin’ireo foibem-panadinana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ankoatra izany, “miantso ny mpianatra mba hifantoka amin’ny fanadinana fa tsy ho voarebirebin’ny fanakorontanana” ny tenany.
Enjehin’ny lalàna
Ho fisorohana ny fiparitahan’ny laza adina dia nandray ny anjara tandrifiny ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. “ Teo ny fiarovana ny toerana nanaovana ny laza adina sy ireo olona nanao izany”, hoy i Kolonely Ravoavy, Directeur de la sécurité et des renseignements (DSR) ny zandarimariam-pirenena. Nohamafisiny fa enjehin’ny lalàna ny endrika fanakorontanana toy ny fanelezana vaovao tsy mari-pototra, ohatra ny filazana ny fisian’ny fiparitahan’ny laza adina. “Manentana ny tsirairay mba tsy hanaparitaka vaovao tsy marina fa indrindra manohitohina ny filaminam-bahoaka”.
Lynda A.
Pingback: BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina - ewa.mg