Edito

AVERINA NY HASIN’NY FILOHAMPIRENENA : Fa lasan’iza? Sa nosimbain’iza? Sa nopotehin’iza?


Dia averinay kely aloha fa Prezidan’ny Repôblika no « filaza azy » fa tsy filohampirenena… Anaty fanjakana Repôblikana isika, hoy izy (ilay mpampianatra), dia ny fomba repôblikana no ataontsika. Eny tompoko. Mba hainay koa izany !

20 martsa 2009 tamin’izay… tetsy Ambohitsorohitra. Tonga tao ry « mpiandry » nanala ny « devolinay »…Nodiovina ny trano dia io ny Andrian-dahy Ralitera Etienne tao amin’ny biraon’ny tomponandraikitry ny mariboninahitra… Maika ery ny tenanay nanontany azy… Ianao indray angaha no ato ? Tsotra no navaliny : « « Je préfère encore attendre la sortie d’un arrêté avant de faire tout commentaire » …

Any an-tsainay any dia tsotra : « Voahongana » izany ilay teo aloha, Rakotoamboa Noel…satria niverina nandray ny asany izany ilay teo aloha… ary hiasa etsy Mahamasina ny andron’ny 21 martsa 2009. Tsy hitan’ny masonay aloha ny taratasim-panjakana nanendry azy… Sady tsy ilaina akory izany !

Vao omaly dia hitanay tamin’ny taratasim-panjakana fa ny filan-kevitry ny governemanta tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Ntsay Christien no nanendry ilay Ramatoa feno fahendrena antsoina hoe Madeleine Ramaholimihaso, hanohy ny asan’ilay Andrian-dahy niamboho ny 31 oktobra 2017…

Any an-tsainay any (indray) dia tsotra : « Ara-dalàna sady amin’ny fomba manaraka ny lalampanorenana sy ny fototra repoblikana izany ilay fanendrena nataon’ny Praiministra »…

Eny àry ! Ka maty hasina tokoa izany izay novonoina hasina e !…Fa na izany na tsy izany dia mila manova isika ! Tena mila mahay manavaka ny lalan-dratsy sy ny lalan-tsarotra tsy maintsy izorana …

Fa ny any an-tsainay aty amin’ny folo taona aty aoriana dia ny hoe : Samboady telosoratra miampy ny mari-boninahitra ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny firenena atolotry ny « olona tsongoin’olom-bolo » (notendrena ankahamehana) ve no mampisy hasina sy/na manimba izay hasina izay ? Inona tokoa izany no maha samihafa (samy hafa) ilay natao ny 21 matrsa 2009 sy ity androany 19 Janoary 2019 ity ? »…

Dia hisy hisaintsaina hoe : Fotoana roa miavaka ireo satria voafidy sy tsy voafidy…Koa nahoana no niniana natao sy nampivingitina olona « tsy manan-tsiny » ny mari-boninahitra tsy tokony ho azy ? Maninona ny ankamaroan’ireo « olobe » no manaiky zavatra tsy dia « manan-kasina » toy izany ?

…Farany ity : Azo hatao tsara tompoko ny miteny hoe : « Avereno ilay fianianana nataonao teo fa nisy teny voadingana na ninianao nodinganina, sao maty hasina ny zava-boalazanao… sady izay voasoratra ato anaty « bokibe » ato no tokony ho teneninao… »…fa toa tsy nataonareo izany ? Sa ianareo “rehetra” mihitsy no niteny hoe: “dingano fa sao afa-baraka isika sy ny repôblika-ntsika”?

Ony RAMBELO


2 comments on “AVERINA NY HASIN’NY FILOHAMPIRENENA : Fa lasan’iza? Sa nosimbain’iza? Sa nopotehin’iza?

  1. Pingback: AVERINA NY HASIN’NY FILOHAMPIRENENA : Fa lasan’iza? Sa nosimbain’iza? Sa nopotehin’iza? - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *