Socio-eco

ASSOCIATION SOMBINIAIKO : Mandray anjara eny amin’ny tsenaben’ny hazandrano


Ankoatra ny fanabeazana ara-pahasalamana sy fanabeazana ara-bola dia misehatra amin’ny fiompiana trondro Bio ihany koa ny fikambanana Sombiniaiko. Mandray anjara amin’ny « Foires des Produits Halieutiques » eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina  ity fikambanam-behivavy ho an’ny fampandrosoana ity. Nanomboka ny 29 oktobra 2021 ny tsenaben’ny hazandrano  ary tsy hifarana raha tsy ny 31 oktobra 2021. 15000 Ariary ka hatramin’ny 20.000 Ariary ny kilao amin’ny trondro Bio amidin’ny fikambanana Sombiniaiko. « Izahay ihany no manamboatra ny sakafon’ireo trondro », hoy ny Filohan’ny fikambanana Andrianaivonirina Anny.

Torohevitra momban’ny homamiadana

Vehivavy 12 avy eto Antananarivo Renivohitra, Mantasoa ary Miarinarivo no mivondrona ao anatin’ny fikambanana Sombiniaiko. Fitaizana ny olona amin’ny resaka sakafo, fitaizana eo anivon’ny tokantrano no antony nijoroan’ny fikambanana tany am-boalohany. Niitatra tany amin’ny fanabeazana ara-bola izany. Mandray anjara amin’ny ady atao amin’ny homamiadana ihany koa ny fikambanana. Anisany miara-misalahy amin’ny fikarakarana ny hetsika fihainoana, fizarana toro-hevitra ary fizaham-pahasalamana momba ny homamiadana ry zareo  rahampitso sabotsy 30 oktobra 2021. « Dokotera Rakotomanga Norosoa, oncologue no miaraka amin’ny association Sombiniaiko tompon’ny hetsika, ampian’ny Associations des Médecins de Ministère raha resaka dokotera ary ny Association des Femmes Journalistes amin’ny fivoizana ny vaovao » hoy i Andrianaivonirina Anny. Eny Mandroseza akaiky ny fiangonana katolika, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 03 ora hariva no fotoana raha mila torohevitra na te hizara zavatra niainana na hihaino ireo niaina ny chimiothérapies na fandidiana nono…

 Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *