Socio-eco

ASA SOSIALY: Nifanantona ny Orange Madagascar sy Cementis amin’ny fanatanterahana tetikasa marolafy


Mifameno ny vinan’ny orinasa Orange Madagascar sy Cementis Madagascar amin’ny lafiny ara-tsosialy. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny roa tonta ny alatsinainy 13 febroary 2023 teny Ankorondrano. Nanatanteraka izany i Frédéric Debord – Tale Jeneralin’ny Orange sy François de Lesquen – Tale Jeneralin’ny Cementis. Anisan’ireo tetikasa sahanin’ny Orange amin’ny alalan’ny  fikambanana Orange Solidarité Madagascar ny fananganana tanàna « Village Orange » izay ahitana sekoly sy ny fandaharan’asa sekoly nomerika, toeram-pitsaboana, famatsiana rano fisotro madio. Ao anatin’ny andraikitrin’ny Cementis ny fanomezana simenitra hanamboarana ireo foto-drafitr’asa ara-tsosialy ireo. « Miara-miasa ho fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny mponina ny Cementis sy ny Orange satria mitovy ny tanjona amin’ny lafiny ara-tsosialy. Amin’ny maha orinasa mpamokatra akora ilaina amin’ny fanamboarana foto-drafitrasa toy ny trano dia hanome simenitra amin’ny vidiny mifanaraka amin’ny asa sosialy ho an’ny Orange ny Cementis », hoy i François de Lesquen. Natomboka tamin’ny fanamboarana vatan-trano ho an’ny sekoly miisa 10 tany Mananjary sy Manakara ny fiarahamiasan’ny roa tonta. « Savaranon’ando amin’ny fiarahamiasa no natao tany Mananjary sy Manakara ho fandraisana ireo mpianatra taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai tamin’ny heritaona », hoy  Ranaivoson Valérie, Tomponandraiktirin’ny asa sosialy ao amin’ny Orange. Hanampy ny Cementis amin’ny fampitaovana ireo sekoly sy tranom-boky ataony ihany koa ny Orange. Santionany amin’izany ny lafiny nomerika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *