Mbola malalaka ny tsenan’ny asa raha amin’ny lafiny ny nomerika. Noho ny fivoaran’ny teknolojia, mila serasera avokoa ny sehatra rehetra toy ny orinasa, fikambanana, rafi-panjakana ahafahana mivarotra ny vokatra sy ny tolotra na mampahafantatra ny asa ataony. Anisany be mpitady mpiasa manerana an’izao tontolo izao, ao anatin’i Madagasikara ny asa momba ny nomerika amin’ny lafiny serasera sy fitantanana an’habaka (communication digitale et marketing). Marobe ny asa misy amin’ity sehatra ity, toy ny “community manager”, “rédacteur web”, “traffic manager”, “responsable e-commerce”, “social media manager”, “chargé de communication digitale”, “Webmarketeur”, “Brand Manager”. Amin’ny ankapobeny, hitantana ny tranokala, hanentana ao amin’ny tambazotra sosialy no atao amin’izany.
Nambaran’i Ranto Andriambololona, mpitantana ny Hairun Technologie, orinasa misehatra amin’ny nomerika sy ny sekoly Grandes Ecoles de l’Innovation Technologique fa tsy tokony ho tsy an’asa izany ny olona nianatra momba ny informatika. “Amin’ny voalohany fotsiny, rehefa mivoaka amin’ny fianarana iny no somary mafimafy ny mitady stage fa rehefa manana traikefa amin’izay dia mandeha ho azy”, hoy izy. Ho an’ny Orange manokana dia maro be ny tolotr’asa misy ao aminy. Raha amin’ny lafiny teknolojia vaovao no resahana dia anisany mitady mpiasa hisahana ny andraikitra “ingénieur support IT”, “ingénieur télécommunication”, “ingénieur développeur” ny orinasa. «Tadiavinay foana ireo poste ireo satria mitombo ny filànay. Manana application be dia be ihany koa ny Orange ka mitady olona hitantana ireny plateforme ireny. Amin’izao fotoana izao dia mitady mpiasa hisahana ny andraikitra chef de département de transformation digitale, chef de département exploitation support applicatif ihany koa izahay», hoy ny tomponandraikitra misahana ny arak’olona (RH) ao amin’ny Orange, nandritra ny Zah@Geek andiany fahatelo.
Notanterahina ny 21 sy ny 22 jona 2024, teny amin’ny Gare Soarano ity hetsika fampahafantarana ny asa manodidina ny nomerika ity. Orinasa 40 misehatra amin’ny nomerika no nandray anjara tamin’ny hetsika. Tolotr’asa an-jatony no nampahafantarina teny an-toerana. Nandray avy hatrany ny antontan-taratasy (CV) sy ny nampanao “entretien” ireo tonga nitsidika ny hetsika ireo orinasa mpandray anjara. Nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra momba ireo karazana asa amin’ny sehatry ny nomerika. Anisany lohahevitra noresahana tamin’io fotoana io ny “Intelligence artificielle” na IA izay mitàna andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana ny orinasa sy fanatsarana ny andavanandrom-piainan’ny tsirairay. Tao anatin’ny fandaharam-potoana nandritra ny roa andro ihany koa ny atrikasa fiofanana (masterclass), ny fifaninanana tetikasa momba ny “hackathon”. Tanora manana diplaoma sy mpitady asa 5000 no nandrasana ho avy nandritra ny Zah@Geek 3.0.
Ra-Nirina