Socio-eco

ASA FANAOVAN-GAZETY: Nifampizara traikefa ho fampitomboana ny fanadihadiana momba ny fiovan’ny toetr’andro, ny fananantany, ny maha lahy sy maha vavy ireo mpanao gazety


Tsy afa-misaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny resaka fananantany sy ny maha lahy sy maha vavy. Mbola vitsy anefa ireo fanadihadiana momba izany kanefa tena ilaina ny mampahafantatra azy. Mpanao gazety miisa 30 no niofana tany Toliary momba ny asa fanaovan-gazety, ny maha lahy sy maha vavy ary ny fiovan’ny toetrandro, ny 20 ka hatramin’ny 23 febroary 2023. Avy eto Analamanga, Androy, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra, Menabe, Atsimo Andrefana,  Ihorombe ary Amoron’i Mania izy ireo.  Nikarakara ny atrikasam-piofanana  ny ONG  Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF), tamin’ny alalan’ny tetikasa ho an’ny fiarahamonim-pirenena mitondra ny lohahevitra hoe: « vehivavy miatrika sy mpisehatra miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany izany », izay tohanan’ny Agence Française de Développement (AFD) sy ny masoivoho Frantsay.

Anisany nizara traikefa ny mpanao gazety i Njaka Andriatefiarinesy ao amin’ny Gazety Taratra. Niresaka momba ny ireo lohahevitra azo hanaovana fanadihadiana sy fanadihadiana lalina momba fiovan’ny toetrandro izy. Lohahevitra azo trandrahana momba ny fiovan’ny toetrandro sy ny fomba famolavolana tetikasa fanadihadiana  no fizarana nataon’i Nirina Rakotomiarintsoa. Ohatra nozarainy tamin’izany  ny fomba nahazoany famatsiana ara-bola ho an’ny fanadihadiana avy amin’ny FAPBM. I Philiberte Amiko kosa nizara ny traikefany mitondra lohateny hoe: « Mamokatra fanadihadiana ho fandraisana andraikitra » . Fampiasana ny teknika amin’ny asa fanaovan-gazety ho fampidirana ny lokan’ady momba ny fiovan’ny toetrandro sy ny tontolo iainana ao anaty lohahevitra safidiana sy manome vahana momba ny resaka maha lahy sy  maha vavy no nanaovany famelabelarana. Nizara ny traikefany momba « Storytelling ou la narration humanisée » na fomba fampitàna vaovao na fanadihadiana, raha azavaina tsotsotra i Fahendrena Andriamanarivo.

Nivoitra nandritra ny fiofanana fa olana amin’ny faritra Androy iny ohatra ny fomba izay tsy ahafahan’ny zanaka vavy mandova ny harenan’ireo ray aman-dreny. Eo ihany koa olan’ny fifindramonina noho ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Mifindra monina ny lehilahy hitady hamelomana ny fianakaviany. Rehefa lasa any anefa izy dia  mizaka ny adidy samirery amin’ny famelomana ny zaza ny renim-pianakaviana. Misedra olana goavana koa anefa ilay raim-pianakaviana iny noho ny tsy fananany tany ambolena sy hipetrahana any amin’ny toerana heritreretiny hitadiavana  ka lasa mety manaonao foana ary mety ho tonga any am-ponja mihitsy aza noho ny fandikan-dalana. Ilay fianakaviana kely nilaozana vaomaika sahirana rehefa avy eo na dia nanantena fa hitondra sy haka azy ireo aoriana kely ao i dada. Rehefa tsy manana asa koa anefa dia ny harena voajanahary no alainy sy haripaka ka miteraka fahasimban’ny tontolo iainana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *