Socio-eco

APPLICATION ORANGE MONEY AFRIQUE: Afaka manana kaonty Orange money ny mpanjifa na inona na inona ny tambazotram-pifandraisana ampiasainy


Tolotra vaovao roa. Tsy ireo mpanjifa manana nomerao Orange ihany no afaka manokatra kaonty Orange money fa na manana nomerao amin’ny tambazotram-pifandraisan-davitra hafa aza dia afaka manao izany ankehitriny. Tsy mila mivezivezy na mandeha eny amin’ny toeram-pivarotana Orange money  ihany koa ny mpanjifa raha te hanokatra kaonty fa ao an-trano ihany dia vita. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 18 janoary 2024, teny Ankorondrano  ireo tolotra vaovao roa ireo. Afaka manokatra kaonty Orange money avokoa ny mpanjifa na inona nomerao hananany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny “application Orange money Afrique” no ahafahana manao izany.  Afaka manokatra kaonty, ao anatin’ny  dimy minitra monja, tsy mila milahatra na mivezivezy fa ao an-trano ihany  koa ny mpanjifa raha mampiasa io application io. Rehefa misokatra ny kaonty dia afaka misitraka ireo tolotra rehetra toy ny fandefasana vola, fividianana entana, fandoavana faktiora ny mpanjifa. Nambaran’i Razafimbelo Ony, lehiben’ny tetikasa ao amin’ny Orange Money fa moramora kokoa  ny sarany fandefasana vola raha mampiasa ny application.  Nanamafy i Mathieu Berthelot, Tale jeneralin’ny Orange money fa hanamorana ny andavandrom-piainan’ny Malagasy ireo tolotra vaovao ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *