Socio-eco

APOKALYPSY MIKABARY : Nivoaka ny andiany faharoa


Anisany maha malagasy ny kabary ary kolontsaina. Namoaka ny andiany faharoa misalotra ny anarana hoe  « Tsiaro » ny Alahady  22 Desambra 2019 teny amin’ny oniversite Ankatso ny Apokalypsy Mikabary ( A.MI). Miisa folo mianadahy izy ireo izay niofana nandritra ny valo volana. « Manana foto-pampianarana mahaleotena ny AMI atao hoe drafitra apokalyptika. Noho izany tsy misavika ireo foto-pampianarana hafa », hoy ny filohan’ny AMI, Rakotoasimbola Jean de Dieu. Ohatra amin’izany, tsy fangataka ny vady fa  akambana noho izany tsy mangata-bady ny AMI. Ny olombelona tsirairay dia manana talenta ao anatiny ao fa mila fohazina. Mitaiza manomboka any amin’ny kolontsaina ny AMI izay miainga any amin’ny fieritreretany, ny vatany ary mitondra azy ho olom-banona izany, hoy izy. Olony fiarahamonina, manam-pahendrena noho izany ireo mpikabary ao amin’ny AMI hoy hatrany izy.

Ny taona 2017 no nitsangana ara-dalàna ny AMI. 12 Oktobra 2019 no nanomboka ny fampianarana kabary. 13 volana ny faharetan’ny fianaran’ireo andiany voalohany izay mitondra ny anarana hoe  « Sedra » ka fito mianadahy izy ireo tamin’izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *