Socio-eco

ANTSON’NY TONTOLO MIAINA : Fampirantiana zava-kanto mampita hafatra fanairana amin’ny loza mitatao entin’ny fiovan’ny toetr’andro


Afaka mitondra vahaolana ny fahendren’ny Ntaolo. Tsy afa-miasaraka amin’ny tontolo iainana ny olombelona. Efa mby an-koditra anefa ny loza ateraky ny fiovan’ny toetr’andro ka izany indrindra no nahatonga ny tsirin-kevitra tao amin’i Rabarijohn Ihoby, Tomponandraikitry ny Mad Art Advisory  sy Cécile Bourne Farrell hikarakara ny « Antson’ny tontolo miaina». Hetsika fampirantiana miompana amin’ny fandraisan’ny zava-kanto anjara amin’ny fanapariahana ny hafatra fanairana eto Madagasikara eo anatrehan’ny loza mitatao entin’ny fiovan’ny toetr’andro ny «Antson’ny tontolo miaina» (ATM). Ny 20 Mey 2023 ka hatramin’ny 05 jona 2023 (andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana)  eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano no hanatanterahana izany. Mametraka rohy mampifandray ary mampihaona ireo sehatra samihafa ara-java-kanto, ao anatin’izany ny zava-kanto hita maso (arts visuels), ny horonan-tsary fanadihadiana, ny mozika ny ATM. Hisarika ny saina hametram-panontaniana eo anatrehan’ny loza mitatao nohon’ny fiovan’ny toetr’andro ireo mpanakanto izay nosinganin’ireo mpiandraikitra. «Afaka mandray anjara eo amin’ny asa fanasoavana ny tontolo iainana, arak’izay tandrify azy ny isam-batan’olona. Ny zava-kanto, noho ny fahefany mitondra any amin’ny mahasondriana, dia manokatra ny làlana mampifandray antsika amin’ny manan’aina, manasongadina ny fahafahan’ny mpanakanto hanao izany ity fampirantiana ity. Antson’ny tontolo miaina dia fampirantiana zava-kanto miompana amin’ny tontolo manodidina sy ny zava-boahary», hoy i Rabarijohn Ihoby, mpikarakara ny hetsika, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 9 Mey 2023. Anisan’ireo mandray anjara amin’ny fampirantiana  i Malala Andrialavidrazana, Miora Rajaonary, Richianny Ratovo ,Felana Rajaonarivelo, FANJAR, Dadee Andrianaivoson, Cyrille Cornu, Nature Attitude, Mialy Rajohnson Chorégraphe, Madajazzcar Festival ary  Mickael Green Paysagiste.

Ny Ntaolo sy ny fiarovana ny tontolo iainana

Nambaran’i Dadee Andrianaivoson fa fiovana toetsaina no vahaolana iatrehana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana.  «Miady amin’ny tontolo fisainana isika satria rehefa miova ny toetsaina dia miova ny fomba fiaina», hoy ity mpanakanto manana tetikasa miompana amin’ny famoronana zava-kanto amin’ny alalan’ny fanodinana fako ity. Manamafy ihany koa ny mpikarakara ny ATM fa afaka mitondra vahaolana manoloana fiovan’ny toetr’andro ny fahendren’ny Ntaolo na ireo fomba amam-panao nentim-paharazana. Noho izany, hampisongadina ny hamaroan’ny asa famoronana malagasy na ireo vokatra eto an-toerana izany na ireo vokatra any am-pitandranomasina, miainga amin’ny asa-tànana izany ka hatrany amin’ny « arts plastiques » ny ATM. Hiavaka amin’izany ny fampiasana akora natoraly sy izay eo am-pelatanana. Handravaka ny hetsika ihany koa ireo seho maro samihafa toy ny mozika sy ny rindran-dihy fa indrindra ireo atrik’asa sy velan-kevitra vitsivitsy. Tsy misy ny vidim-pidirana  mba ahafahan’ny hafatra mipaka amin’ny karazan’olona maro samihafa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *