politique

ANTOKO TIM : Miahiahy ny fampiasana ny sarin’ny prezidàn’ny Repoblika


Maha be resaka sy ahiahy an’ireo mpanao politika ny fampiasana ny sarin’ny prezidàn’ny Repoblika Rajoelina Andry amin’izao fampielen-kevitra izao. Mametra-panontaniana ny antoko TIM hoe manara-dalàna ve izany sa tsia ? « Filohan’ny malagasy rehetra ny prezidàn’ny Repoblika fa tsy an’ny mpanara-dia azy fotsiny. Noho izany tsy manara-dàlana ary mety hampitongilana ny fizotry ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao ny ataon’ny kandidà sasany », hoy ny sekretera Jeneralin’ny antoko TIM, Olga Ramalason. Tsy mijanona amin’izay fotsiny anefa ny fandehanan’ny fampielezan-kevitra fa misy ihany koa ny ramatahora sy ireo antsojay ary fanararaotana ataon’ireo kandidàm-panjakana ireo, hoy izy. Eo ihany koa ny fampiasana fitaovam-panjakana maro isan-karazany, toy ny fiara, ny môtô amin’ny alalan’ny fanovana ny lokon’ny takelaka misy ny laharana izay tokony ho mena. Manaitra sy misintona lakolosy ny antoko amin’ireo tomponandraikitra isan-karazany amin’izao fifidianana izao. Noho izany dia mitodika any amin’ny Ceni sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ( HCC) ny mpitarika ny antoko TIM ary manainga ireo rafitra ireo mba hanaramaso akaiky ireny toe-javatra mahatonga ny ahiahy tsy ihavanana ireny. Mangataka amin’izy ireo mihitsy ny antoko izay tarihan’ny filohany Ravalomanana Marc mba handray andraikitra avy hatrany tahaka ny efa nataon’izy ireo tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *