Socio-eco

ANTOKO POLITIKA SY FIKAMBANANA MARO: Hihaona amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ho fitadiavana vahaolana momba ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny toe-draharaha politika…


Marobe ireo fikambanana, antoko politika sy vondron’olona  avy any amin’ny faritra sy eto Antananarivo no maniry te hihaona amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena,  Razanamahasoa Christine. Nampiantso mpanao gazety i Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, Tale kabinetran’ny Filohan’ny Antenimiermpirenena, ny alarobia 20 marsa 2024 fa misy hetsika ho karakaraina ny sabotsy 23 marsa ho avy izao, eny amin’ny Cafétaria ao  amin’ny Lapan’ny  Antenimierampirenena Tsimbazaza. Hiarahabana ny Filohan’ny Antenimierampirenena noho ny fahahatratrarana ny taona vaovao ireo hery velona eto amin’ny firenena amin’io fotoana io. Nambaran’i Doudou fa tsy fifampiarahabana nahatratry ny taona hanaovana fety be ity hetsika ity fa « fifampiarahabana handinihana ny raharaham-pirenena.  Hangataka amin’i Razanamahasoa Christine, amin’ny maha Filohan’ny Antenimierampirenena azy sy amin’ny maha renim-pianakaviana azy, ireo hery velona marobe mba handroso vahaolana momba fiakaran’ny vidim-piainana, ny resaka jiro, ny lalana sy hitondra fanazavana bebe kokoa momba ny toe-draharaha politika ankehitriny. « Tsy resaka fifidianana no hihaonana amin’io fotoana io. Namaha ny resaka vidin-kanina, ny jiro, ny lalana ve ny fifidianana nifanesy?  Vita iny ny fifidianana Filohampirenena […] fa naninona no vao maika mihamafy ny olana eto amin’ny firenena? Marary ny firenena, mila fanasitranana ka izay no anton’io fivoriana io, handrosoana vahaolana », hoy Ratolojanahary Maharavo namaly ny fanontaniana napetraky mpanao gazety momba ity fihaonana ity sy fifandraisan’izany amin’ny resaka fifidianana ho avy. Nambarany fa raha te hanarina firenena dia mila apetraka ny fitoniana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *