Socio-eco

ANTOKO POLITIKA FIHAVANANTSIKA : Nanolotra kandidà mino an’Andriamanitra sy mendrika ny hitondra firenena


Fotoana hiverenana amin’Andriamanitra izao. Vonona ny filohan’ny fikambanana « An’i Kristy », Lalaina Harilanto RATSIRAHONANA hanarina ny firenena izay ao anatin’ny fahasahiranana sy fahantrana lalina vokatry ny krizy ara-tsosialy nifanesy nandritra ny 63 taona. Natolotry ny antoko politika « Fihavanantsika » izy ho kandidà filoham-pirenena amin’ity taona  2023 ity. Natao teny Antaninarenina ny 14 aogositra 2023 ny fahampahafantarana azy. Mitovy ny tanjona na ho an’ny fikambanana nanolotra azy na ny fikambanana « An’i Kristy » dia ny hitondra ny firenena ao anatin’ny fahendrena sy ny fahamarinana ary ny fahatahorana an’Andriamanitra. Vina hijoroan’ ity kandidà ity  ny hoe  « Malagasy mihavana, sambatra, miadana ». « Tafaray ny tia sy ny manina dia ny fikambanana « An’i Kristy » sy ny antoko « Fihavanantsika ». Mino izaho fa ho maro ny Malagasy miombon-kevitra sy resilahatra aminay fa tonga ny fotoana hiverenana sy hitodihan’ny firenena Malagasy amin’Andriamanitra. Voafaritra ao anaty lalàm-panorenana raha teo ny hoe : ny vahoaka Malagasy masi-mandidy, mametraka ny finoany amin’Andriamanitra  Andrihananahary », hoy i Lalaina Harilanto RATSIRAHONANA. Eo anatrehan’ny olana sy ny fahasahirana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy dia anisan’ny laharam-pahamehana ho azy sy ny fanjakana entiny ny fanapariahana ny fitsinjaram-pahefana amin’ny lafiny rehetra. Hatao ao anatin’ny fahaiza-mandamina miaraka amin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, hoy izy.  Fanjakana matahotra an’Andriamanitra no hajoro izay manana andraikitra telo ho fampandrosoana sy ho fanarenana ny firenana. Hampanjaka ny rariny sy ny fahamarinana ankasitrahan’Andriamanitra eto amin’ny firenena amin’ny lafiny rehetra. Hitaona  antsika Malagasy hahatsapa sy hahatsiaro fa efa natolotr’Andriamanitra antsika ity nosy Madagasikara malalatsika  ity. Farany, ny hahatonga ny Malagasy hiadana sy ho sambatra amin’ny lafiny rehetra toy  ny  ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. Noho izany dia tanjona telo lehibe no hotratrarina manoloana ireo andraikitra ireo. Malagasy mihavana amin’Andriamanitra, Malagasy mihavana amin’ny samy Malagasy ary Malagasy mihavana amin’ny zava-boahary.

Samy nanao antso ho an’ny vahoaka Malagasy ireo nandray fitenenana nandritra ny fampahafantarana ity kandidà ity mba hiara-hientana, hiara-hiasa amin’ny fahamrinana sy fahatahorana an’Andriamanitra. Hifamela sy hiavana. Hanajary sy hikolokolo ny harena voa-janahary ary hikajy ny tontolo iainana. Izany ny fototry ny fampandrosoana haingana ity tanindrana malalatsika ity raha ny nambaran’izy ireo.

Marihana fa efa 21 taona no nitsanganan’ity  antoko « Fihavanantsika » ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *