politique

ANTOKO MFM: “Namaky lay ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ny resaka Juan de Nova”


“ Firenena iaraha-manana, tsy ijerena arina an-tava”.  Feno 47 taona ny 27 desambra 2019 ny fijoroan’ny antoko politika MFM (Mpitolona ho an’ny Fampandrosoana  an’i Madagasikara).  Rehefa avy nangina nandritra fotoana lava ny antoko dia naneho ny heviny indray manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny birao nasionaly. Teboka maro no noresahan’izy ireo ka anisan’izany ny resaka nosy malagasy. Araka ny fanazavan’ny birao nasionaly dia “ny didim-pitondrana noraisin’ny ministra frantsay, minisi-panjakana miandraikitra ny haivoahary, ny angovo, ny fampandrosoana lovain-jafy ary ny fanajariana ny tany nanome fanomezan-dalana hanao fikarohana etona sy solika ao amin’ny Nosy Juan de Nova izay nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana frantsay tamin’ny 22 desambra 2008 no namaky lay ny fanozongozonana ny fitondrana teto Madagasikara ka niteraka  ny fanonganam-panjakana tamin’ny 16 martsa 2009. Navadiky ny ministra Ségolène Royal ho fanomezan-dalam-pitrandrahana ireo harena tsy hita pesipesenina ireo ny 21 septambra 2015 ho ana-kaompania roa lehibe”.

Fifidianana

Mbola naverin’ny MFM ihany koa fa fitondram-panjakana tsy marin-toerana no nifandimby teto Madagasikara noho ny tsy fahatomombanan’ny zotram-pifidianana. Nanakiana izany toe-javatra izany ny MFM nandritra ny taona maro ka nanomezanay tolo-kevitra hanatsarana izany toy ny fananganana ny CENI, ny bileta tokana, ny vata mangarahara, ny fanamboarana ny lalàm-pifidianana. “Malahelo anefa izahay fa vao maika  niharatsy ny fanantanterahana ny fifidianana eto amintsika fa manome vahana ny fandrombahana  fahefana amin’ny alalan’ny hosoka sy fanodikodinana ny safidim-bahoaka tsy hitondra fandrosoana velively fa fahantrana miorim-paka”. Noho izany, mihevitra ny MFM fa ny fandrafetana lisi-pifidianana madio tanterahin’ny filoham-pokontany  voafidim-bahoaka omena fitaovana toy ny solosaina no anisany ahafahana miantoka izany araka ny tolo-kevitry ny MFM tamin’ny 02 jona 2017.
Ankoatra izany dia nilaza ny antoko fa tsy mino ny fisian’ny fitsinjaram-pahefana raha ny fanapahan-kevitra raisina  aza tsy manome lanja ny “tenierana mijidina” miainga amin’ny fifidianan’ny vahoaka izay hitondra ny teniny sy ny “tenierana marindrano” andraisan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana entin’ny  olom-boafidy an-tanana  ny fampandrosoana miainga avy any ifotony manara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manampy  trotraka  an’izany hoy ny MFM ny finiavana hanafoana na hamparefo ny rafitra ampiharana an’izany toy ny Antenimierandoholona sy ny fanomezana vahana ny fitsinjaram-pahefana fotsiny amin’ny alalan’ny olom-boatendry  fa fangoronam-pahefana no haterak’izany mankany amin’ny teny midina sy jadom-panjakana. Anisany vato misakana amin’izany ny tsy fanomezan-danja ny fakan-kevitra amin’ny vahoaka momba ireo tetikasam-panjakana tsy andraisan’ny besinimaro anjara ny fanatanterahana azy, toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny tetikasa  tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka.

Toekarena

Nambaran’ny MFM fa  tsy fanajana ny tany tan-dalàna ny fampidirana tahirim-piandrianana (fonds souverain) mitentina 200.000 tapitrisa Ariary ao anatin’ny tetibolam-panjakana raha mbola tsy nolanian’ny Antenimierampirenana sy ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy izany. “Tokony ny fitombon’ny harin-karem-pirenena no hiteraka izany ambim-bava hatao tahirim-piandrianana izany fa tsy ny volan’ny kamboty sy ny mananon-tena ao anatin’ny fahasahiranana mikaikaika amin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Torak’izay ihany koa ny fametrahana vola fiandry mitentina 700.000 tapitrisa Ariary  ao amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, sorabola izay tsy mazava sy tsy voafaritra mialoha ny fomba hampiasana azy nefa  vola be”. Ho fanampin’izay dia nilaza ny antoko fa mampiakatra ny vidim-piainana ny fangalana tataon-ketra 20% amin’ny varim-bazaha sy ny katsaka ary hisy fiantraikany mivantana amin’ny mponina izany. Ny indostria malagasy no tokony homena tosika hitrandraka ny otrikarena  eto an-toerana sy hamorona asa ho an’ny olom-pirenena indrindra ny tanora ka tsy hanome tombondahiny ireo entana avy ivelany toy ny poti-tsavony sy fakofakon’entana hanenika ny tsena, hoy hatrany ny fanazavana. Tamin’ny anaran’ny foibe MFM,  ny filohan’ny Antoko MFM mpisolo toerana,  ny filoha lefitra sady sekretera jeneraly, ny loholon’i Madagasikara Rakotovazaha Olivier no nanaovan’ny antoko izao fanambarana izao.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *