politique

ANTOKO MDM : Mifameno ny fifidianana sy ny fanorenana ifotony


Mahatsapa ny antoko politika Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (MDM) fa tsy mifanipaka velively ny firosoana amin’ny fifidianana filohampirenena sy ny fanorenana ifotony. Misy ireo milaza fa tokony ny fanorenana ifotony aloha atao izay vao ny fifidianana. Ho an’ny MDM indray milaza fa tokony  hirosoana ny fifidianana filohampirenena izay atao amin’ny 7 novambra 2018. Manaiky ihany koa ny antoko fa ilaina ny fanorenana ifotony na ny fanovan-drafitra mba hisorohana ny krizy miverimberina. Noho izany, manao antso ho an’ny kandida tsirairay vonona hanao ny fanorenana ifotony ny MDM mba hanome toky ampahibemaso fa hanatanteraka izany, hoy ny filoha nasionalin’ny MDM, Pierrot Rajaonarivelo.

Miantso ny vahoaka Malagasy ny MDM ho tony mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. « Aoka ireo mpifaninana sy ireo mpomba azy mba ho hitandro ho toy ny anakandriamaso ny fihavanana sy ny filaminana ary ny firaisankina ka hanalavitra ny fiteny sy fihetsika mitory fihantsiana sy fifandranitana ».

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *