politique

ANTOKO HVM: Manameloka ny fanapoahana “grenade”


Raisin’ny antoko HVM ho resaka politika ny fanapoahana baomba tao amin’ny birao foiben’ny Antoko eny Antanimena. Araka ny fanazavana voaray, nisy nanipy “grenade” teo anoloan’ny tokontanin’ny birao ny sabotsy alin’ny 24 martsa 2018. Nipoaka ilay “grenade” tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany mahery dimy teo. Nosokajian’ny antoko HVM faritra Analamanga ho asa fampihorohoroana ity tranga ity ary nateraky ny hevitra tena « politika » mihitsy. Nanazava ny mpitarika ny HVM Analamanga Ndranto Rakotonanahary fa “Raha politika no atao dia tokony haseho amin’ny fanehoan-kevitra atao anaty fifanajana sy lavitry ny herisetra izany”.
Vaky ny ankamaroan’ny fitaratra sendra ny fipoahana. Araka ny loharanom-baovao, vehivavy iray mpivarotena nijorojoro teo akaikin’ny foibe no naratra. Efa nahazo fitsaboana eny amin’ny hopitaly Joseph Rahavoangy Andrianavalona izy. Manoloana izany, manameloka ny fihetsika tahaka itony ny HVM Analamanga, ny HVM Atsimondrano sy Avarandrano. Nilaza ihany koa ny antoko fa tsy matahotra fampihorohoroana. “Tsy misakana ny fanohizana ny fivoriana fanao atao ato amin’ny foibe izany. Vao maika manamafy ny fijoroanay HVM eto Analamanga aza izany”.
Hanao izay ahafantarana izay tompon’antoka tamin’ireny tranga ireny ny antoko ary tsy handefitra amin’ny fihetsika mampiseho fampihorohoroana tahak’izao. Marihina fa efa eo am-pelatanan’ny “Brigade criminelle” ny raharaha.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *