politique

ANTENIMIERANDOHOLONA : Zokin-dRafahaleovantena


Raha oharina amin’ny olona dia efa olon-dehibe nahazohazo taona ny Antenimierandoholona. 60 taona katroka no nisian’ ity andrimpanjakana ity teto Madagasikara. Hetsika maro no hanamarihana ny fankalazana ao anatin’ny herinandro, toy ny fampirantiana an-tsary sy an-tsoratra ny tantaran’ny Antenimierandoholona, ny famelabelaran-kevitra arahina adi-hevitra amin’ny loha-hevitra isan-karazany mifandraika amin’ny asan’ity andrimpanjakana ity, seho kanto ataon’ny mpiasa ao aminy.Natomboka tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ny fanokafana fankalazana ny faha-60 taona ary notohizana tamin’ny lanonana izany ny tolakandron’ny 22 jolay 2019. Nasaina tamin’io fotoana io ny tomponandraikitra ambony isaky ny andrimpanjakana sy ireo masoivoho miasa eto Madagasikara.Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenana, Rabenirina Jean Jacques, solonten-dRamatoa Filohan’ny Antenimierampirenana, Razanamahasoa Christine tamin’ny lahateny nataony fa natao hanatsarana ny kalitaon’ny fitantanana firenena ny antenimiera ka ao anatin’izany ny Antenimierandoholona. Nohamafisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo ihany koa ny anjara andraikitr’ity andrimpanjakana ity. « Aroriaka ho an’ny fanjakana ny Antenimierandoholona tsy hisian’ny fihoaram-pefy amin’ny lafiny lalàna »,hoy izy.

Miantoka ny fampanajàna ny demokrasia, ny fahamarinan-toeran’ny fitondram-panjakana ihany koa. Ankoatra ny maha mpanao lalàna sy mpanolontsain’ny governemanta azy dia solontenan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireo loholona, raha ny fanazavany.

Tsy adino ihany koa fa mitàna andraikitra amin’ny fampanajàna ny zon’olombelona, ny ady amin’ny herisetra ity andrim-panjakana ity.Voarakitra ao anatin’ny lalàm-panorenena avokoa ny asan’ny Antenimiereandoholona. Voatohitohina anefa izy ankehitriny satria tadiavin’ny Prezidan’ny Repoblika, Rajoelina Andry  ho foanana satria mandany vola. Tsy mbola tanteraka io fikasany io satria tsy neken’ny Fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana (HCC) ny nanaovana fitsapan-kevim-bahoaka miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka lasa teo izay nokasaina hanafohanana ny antenimierandoholona ao anatin’ny lalam-panorenana. Neken’ny  HCC kosa anefa ny hampihenana ny isan’ny loholona ho 18 raha toa ka 63 izy ireo ankehitriny.

Nirina R.


One comment on “ANTENIMIERANDOHOLONA : Zokin-dRafahaleovantena

  1. Pingback: ANTENIMIERANDOHOLONA : Zokin-dRafahaleovantena - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *