Socio-eco

ANGOVO AVY AMIN’NY MASOANDRO : Manamora ny fahazoana « kits solaires » ny Startimes sy ny banky SG Madagasikara


Vahaolana ialàna amin’ny delestazy. « Manaja ny tontolo iainana, mitsinjo ny fahasalamana ary vahaolana akaiky ialàna amin’ny fahatapahan-jiro matetika na lavareny »  ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro. Mahatsapa ny Startimes fa tena ilain’ny vahoaka Malagasy ny « kits solaires » ka ho fanamorana ny fahazoana izany  dia mikaroka ny fomba rehetra ahazoan’ny  ankamaroan’ny Malagasy izany ny orinasa. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa tamin’ny  banky Société Générale (SG) Madagasikara ny orinasa ny 14 desambra 2023, teny amin’ny foibeny teny Andranobevava. Afaka misitraka ny kits solaires S35 sy S100 amin’ny alalan’ny fandoavana azy tsikelikely ny mpanjifan’ny ny Startimes na ny banky SG noho io fiarahamiasa io. Mila manana kaonty ao amin’ny SG ny mpanjifa ary mahazo « crédit » andoavana tsikelikely ny vidin’ny « kits solaires ». Haingana ny fikarakarana ny dosie ahafahana mahazo izany ary ahazoana tombony raha ny tahan’ny zanabola no jerena, raha ny  fampitam-baovao avy amin’ny Startimes.

  « Manamora ny andavanandrom-pianain’ny Malagasy ny kits solaires an’ny Startimes. Raha ny kits S35 dia afaka  hihainoana onjam-peo, afaka entina na aiza na aiza ary vahaolana ho an’ireo olona mipetraka any ambanivohitra izay tsy tongan’ny herinaratra”, hoy i Nomenjanahary Sissi, tomponandraikitra momba ny “marketing” sy “contenu” ao amin’ny Startimes Madagasikara. Panneau sy batterie, jiro LED miisa 3 ary câble chargeur ampaisaina amin’ny famahanana telefaonina no hita ao amin’ny kits S35 ary amin’ny vidiny 179.000 Ariary.  Nambaran’i Nomenjanahary Sissi fa  vahaolana amin’ny delestazy lavareny ihany koa ny kits S100 ary afaka manohy mijery ireo fandaharana  mahazatra azy  isan’andro ny mpanjifa na tapaka aza ny jiro satria ahitana vata fahitalavitra “écran plat 32 pouces” efa misy décodeur” mipetaka ao anatiny ary miampy kadoa “abonnement” amin’ny bouquet Super mandritra ny 3 volana, panneau 30 W sy batterie  89,6Ah miaraka amin’ny jiro LED miisa 4 ary câble chargeur isan-karazany  no ao anatiny. 1.200.000 Ariary ny vidiny.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *