Socio-eco

ANDAKANA : Nahazo « Maison Digitale » avy amin’ny Orange Solidarité Madagascar


Notokanana ny « Maison Digitale » faha 40 ho an’ny vehivavy teny Andakana ny 27 may 2022. Trano nomen’ny Fokontanin’Andakana no navaozina ary ny Orange Solidarité Madagascar no namatsy vola tamin’ny fanamboarana. Vehivavy 30 no afaka zakan’ny trano mandritra ny fikirakirana ny fitaovana nomerika amin’ny fotoana iray. Ny kaoperativam-behivavy Ankazo Anosiala (COFAA) no hitantana ity « Maison Digitale » izay ho hanofanana ny vehivavy amin’ny fisorohana ny herisetra mianjady amin’ny lahy sy ny vavy. Natolotra tamin’ity fotoana ity ireo fitaovana nomerika ho an’ity « Maison Digitale » ao andakana ity ahitana  laptops 10, tablettes 20, de serveurs Raspberry, imprimante, speaker  ary kojakoja isan-karazany. Ankoatra izay dia natsangana ao amin’ity « Maison Digitale » ity ihany koa ny vondrona fitahirizam-bola ahafahan’ny vehivavy mahazo tombony amin’ny famatsiam-bola amin’ny tetikasany. Hatramin’ny taona 2013 nisian’ny « Maisons Digitales » manerana ny nosy  dia vehivavy maherin’ny 9.000 no nahazo fiofana. « Ny Maison Digitale ho an’ny vehivavy dia fandaharan’asa  iray tena manakaiky antsika ety . Ny vehivavy dia tena mpisehatra amin’ny fampandrosoana sy maniry hianatra ary mangetaheta fizakan-tena. Izy ity  dia mahafeno io filana manokana io. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana nomerika ihany koa ny fanaovan’ ny vehivavy ho mahaleotena kokoa »,  nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord no nilazany izany. « Iray amin’ireo laharam-pahamehanay ny fanaovana ny nomerika ho tafiditra kokoa, ary manohana ireo vehivavy marefo sy sahirana izahay mba hanome hery azy ireo. Noho ny Maison Digitale ho an’ny vehivavy  izay  dia afaka miofana amin’ny fampiasana fitaovana informatika  ny vehivavy eo anivon’ny kaominina . Izy ireo no fototry ny fandraharahana sy ny fitantanana ara-bola », hoy i Benja Arson.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *