Socio-eco

AMPIO-S: Tolotra fampindramam-bola vaovao ao amin’ny Orange Money hamenoana ny toe-bola tsy ampy


 Afaka mameno ny toe-bola tsy ampy ao  anaty kaonty Orange Money ny tolotra Ampio-S  raha toa ka eo ampividianana  fahana na tolotra  na ampandoavana faktiora na vidin’entana  amin’ny alalan’ny Orange money ny mpanjifa iray. Natao ho an’ny olona rehetra maha feno ny fepetra ity tolotra vaovao ity: feno 18 taona, tsy manana trosoa amin’ny M-kajy sy M-baobab,  nampiasa ny kaonty Orange Money nandritra enimbolana na nanokatra kaonty Orange Money  enimbolana no mihoatra. Afaka mindrana   1.000 ka hatramin’ny 1.000.000 ariary ny mpanjifa ka 2 % amin’ny tetibola alaina ny sarany. 0,5 % isanandro kosa ny tahan’ny zanabola mihatra amin’ny vola ambiny tsy voaloa. Azo aloa tsikelikely  ary ao anatin’ny 30 andro no hanefana azy. Mihatra kosa ny sazy 10 %  raha tsy voaloa ao antin’izay fetr’andro izay. Nambaran’i Maholinirina Rabenivahy, Tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny  Orange Money fa  betsaka ny fifanankalozana ara-bola  kanefa tsy ampy ny toe-bola ka tsy afaka misitraka ny tolotra Orange Money. « Izany indrindra no namoronana ny tolotra Ampio-S. Miara-miasa amin’ny SIPEM banky  izahay amin’ny fanatanterahana izany», hoy izy nandritra ny fampahafantarana ny tolotra, ny alakamisy 27 martsa 2025, teny amin’ny Gare Soarano. Nanamafy i Marie Victoire Comet, Tale Jeneralin’ny Orange Money Madagasikara fa fampindramam-bola haingana mamonjy ny mpanjifa  ny Ampio-S. « Mitohy ny fanomezanaa zava-baovao ny mpanjifana mba ahafahan’izy ireo mampiasa ny Orange Money. Raha toa ka eo ampanaovana fifanankalozana ara-bola ny mpanjifa ka tsy ampy ny toe-bola dia afaka manampy azy ny tolotra Ampio-S  mba ahafahany mamita izany », hoy izy. Azo ampiasaina ny tolotra avokoa na ny finday tsotra (USSD) na amin’ny alalan’ny application Orange Money.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *