Socio-eco

AMBOASARY GARA : Tsy ela amin’ny zavatra hainy ny sinoa.


Tsy ela amin’ny zavatra hainy tokoa ny sinoa ! Tsy mbola tapitra akory ny resaka Soamahamanina dia miatomboka indray ny any Amboasary gara. Efa midina eny amin’ny fokontany Amboasary gara ny sinoa andro vitsivitsy lasa izay maka sombin-tany, hoy ny filohan’ny fokontany Analabe, Amboasary gara. « Ataon’izy ireo anaty gony kely ka asiany soratra izany sy asiany marika  ny hazo mifanandrify amin’ny tany izay nalainy ». Sinoa enina izy ireo ka misy gasy miaraka amin’izy ireo izay nitoby tao Ambohidray, hoy izy.  Tsy nanaiky ny hidiran’izy ireo ao amin’ny fokontany Analabe izy. « Manana taratasy ara-dalana avy any amin’ny tomponandraikitra ambony izy ireo ».  Ankoatra izay, tsy misy fifampiresahana amin’ny tompon’ny tany mihitsy fa tonga dia maka izany sombin-tany izany izy ireo. Raha ny fanazavany hatrany, avy any amin’ny distrika ny taratasy entin’izy ireo. Manahy mihitsy izy fa ny filoham-pirenena no manana hadisoana amin’izao fa tsy avy amin’ny tomponandraikitra eny an-toerana mihitsy.

Anterivava : Filohan’ny fokontany Analabe, Amboasary gara

Fanontaniana mipetra amin’izany ny hoe : hijerena harena ankibon’ny tany ve no nakana ireo sombin-tany ireo sa atao inona ? mila fanazavana amin’ny tomponandraikitra isan-karazany ny vahoaka.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *