Socio-eco

AMBATOVY SY NY CONSERVATION INTERNATIONAL : Vita sonia ny fanavaozana fiaraham-piara-miasa momba ny fiarovana ny alan’Ankerana.


Notanterahin’Ambatovy sy ny Conservation International ny 11 avrily 2022 teto Antananarivo ny fanaovan- tsonia ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta momba ny fiarovana ny alan’Ankerana.

Mirakitra ny fomba fiaraha-miasa, ny fanohanana ary ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta eo amin’ny sehatry ny fiarovana sy ny fitantanana ara-drariny sy maharitra ny haren-javaboahary eo amin’ny manodidina sy ao amin’ny alan’Ankerana izay iray amin’ny toerana fanonerana ny zavamananaina (na Site Offset) ao Ambatovy izany fifanarahana izany izay navaozina ho an’ny 5 taona ho avy. Tanjona amin’izany fifanarahana izany ny fitandroana ny ambaindain’ny faritra mba hanonerana ireo mety ho fahasimbana eo amin’ny zavamanan’aina, sy ny vokatsoa avy amin’ny rohin-javaboahary vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao Ambatovy amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny tombontsoa azo sy ny fampiasana maharitra ny haren-javaboaary.

Ambatovy no hanome ny fanohanana teknika sy hiantsoroka ny lafiny vola ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa fitantanana sy fiarovana. Ny Conservation International kosa no hametraka paikady fampandehanan-draharaha, hitantana ary hanatanteraka ny asa, ary hiantoka ny firindrana eo amin’ny tanjon’ny fiarovana sy ny fanamby mipetraka eo amin’ny lafiny sôsialy sy tontolo iainana manodidina ny faritra mba hanatrarana ny tanjon’ny Fifanarahana.

Ho an’ny Conservation International dia hanampy amin’ny fiarovana an’io faritra arovana midadasika any atsinanan’i Madagasikara io ny fiarovana an’Ankerana satria tafiditra ao anatin’ny tandavanala Ankeniheny Zahamena ny alan’Ankerana. Ho an’Ambatovy kosa, araka ny Drafi-pitantanana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny sôsialy na (PGEDS), ny fiarovana ny alan’Ankerana dia tafiditra ao anatin’ny asa iantsorohany eo amin’ny lafiny fitantanana ny tontolo iainana araka ny fenitra hentitra indrindra ampiharina eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, isan’izany ny Fenitry ny Société Financière Internationale (SFI) sy ny an’ny Business and Biodiversity Offsets Program (BBOP).

Nanangona Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *