Socio-eco

AMBATOVY : Naverina tany anaty tontolo voajanahary ireo sahona Mantella aurantiaca


Sahona izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Miisa 1 800 mahery ireo Mantella aurantiaca no naverina teny amin’ny tontolo voajanahary nandritra ny taona 2022. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’Ambatovy ho fiarovana sy fampitomboan-taranaka an’ity karazana sahona ity. Voasokajin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny fitandrovana ny voaary (UICN) ho isan’ireo biby tandindomin-doza ny Mantella aurantiaca. Noho izany, nanaovan’Ambatovy fandaharanasa manokana ho fampitomboan-taranaka azy ireo izay iarahany miasa miaraka amin’ny fikambanana Mintsinjo izay mitantana ny Toby Sahona ao Andasibe. Tsiahivina fa nosokajian’ny UICN ho tena tandindomin-doza io karazan-tsahona io taloha, fa noho ny ezaka nataon’Ambatovy miaraka amin’ireo manampahaizana eo amin’ny siansa izay mpiomboantoka aminy, dia nidina ho tandindomin-doza ny satany ankehitriny.

Nahafahana namerina teny anivon’ny tontolo voajanahary sahona nompiana 1 500 mahery, tamin’ny taona 2017, ity fandaharanasa ity izay natomboka ny taona 2012. Manohy hatrany ny famotsorana eny anivon’ny tontolo voajanahary ireo Mantella aurantiaca Ambatovy taorian’io vokatra tsara azo io sy ny traikefa rehetra norantovina tamin’izany. Miaraka miasa akaiky amin’ny manampahaizana eto an-toerana ny orinasa amin’ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny fiainan’ireo biby ireo eo anivon’ny tontolo vaovao misy azy.

Marihina fa hitohy hatrany ny fandaharanasa izay hiarahana miasa amin’ireo manampahaizana eto antoerana mikasika ny asa fanavotana ny sahona, ny famerenana azy eny anivon’ny tontolo voajanahary sy ny fanaraha-maso isan-tsokajiny, ny taona 2023 sy 2024.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *