Socio-eco

AMBATOVY : NANOLOTRA JIRO MANDEHA AMIN’NY HERIN’NY MASOANDRO 500


Ao anatin’ny fiarahamiasan’ny orinasa Ambatovy amin’ny Fanjakana malagasy dia nanolotra fitaovam-panazavana (jiro) mandeha amin’ny herin’ny masoandro (kits solaires) 500 ho an’ ireo tokantrano marefo ao amin’ny tanànan’Ampasimbe sy Ranomafana Atsinanana ny 8 febroary 2023. Tao amin’ny tanànan’i Tanambao no notontosaina ny fanolorana ireto fanomezana ireto. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fandaharanasan’Ambatovy ho fampandrosoana ny vondrompiarahamonina ity hetsika ity. Mifanjohy amin’ny laharampahamehana napetraky ny governemanta malagasy, ho fampidirana jiro amin’ireo tanàna ambanivohitra eto Madagasikara.Ny kit tsirairay dia ahitana takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro 20W 16V, boatikely mampandeha azy iray, vatoaratra vita amin’ny lithium-NCM-56 Wh, jirom-balindrihina (plafonnier) efatra, ary jiro mirehitra ho azy rehefa lalovana. Misy radio ihany koa nampiarahan’ny mpamatsy amin’ny kit tsirairay. Hahazo fiofanana ny ankohonana tsirairay misitraka ireto fanomezana ireto mba hahafantaran’izy ireo ny fomba fametahana sy fikojakojana araka ny tokony ho izy ny fitaovana. Amin’ny maha mpikambana feno an’Ambatovy ao anaty fiarahamonina dia mandray anjara mavitrika amin’ny fametrahana fandrosoana lovainjafy eto Madagasikara izy ary manohana ny fivoaran’ireo taranaka ho avy.

Nangon’i Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *