Socio-eco

AMBATOVY : Nandray anjara amin’ny fampiroborobona ny fizahantany


Nanohana ireo tanora 40 avy ao Moramanga ny orinasa Ambatovy. Novatsian’Ambatovy vola ny iray tamin’ireo asan’ny kômity Iraisan’ny sampandraharaha ho fampananana asa ny tanora sy fampivoarana ireo vehivavy marefo tarihin’ny lehiben’ny District Moramanga. Fampiofanana momba ny asa eo amin’ny sehatry ny fizahantany ho an’ny tanora 40 avy amin’ireo kaominina enina voakasiky ny asany dia ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary, Andasibe, Ambatovola, Beforona sy Morarano Gara ary ny Kaominina Ambonivohitra Moramanga tamin’ny volana ôktôbra 2019. Fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny tanora 20 efa miasa eo anivon’ny fizahantany ny andiany voalohany ary fampianarana ho an’ny tanora 20 vao hiditra eo amin’izany sehatrasa izany kosa ny faharoa.Ny  Ofisim-paritry ny Fizahantany Alaotra Mangoro   (ORTALMA)  no nanatontosa ny fiofanana nahitana ny dia asan’ny   « barman  », « réceptionniste », « serveurs » ary « femme de chambre ». « Manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny fizahantany ary nanampy betsaka ahy hanomana ny fidirako ao anatin’io sehatrasa io ity fiofanana  narahiko ity », hoy i Fiononana Nina Raoeliarimanga, iray amin’ireo tanora nofanina. Nanazava kosa ny Tale mpanatanteraky ny ORTALMA, Rija Jean Thierry Ramandraiarivony fa  nitombo 150% ny isan’ny trano fandraisam-bahiny sy ny toeram-pisakafoanana tao anatin’ny District Moramanga ; manomboka eny Marozevo ka hatrany Andasibe, nanomboka ny taona 2005. « Misaotra an’Ambatovy tamin’ny fanohanany ny fampiroboroboana ny fizahantany, na dia tsy asany aza izany, noho izy orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany », hoy izy.

Manara-maso ny fahasalaman’ny gidro

Stand d'Ambatovy lors du festival mondial des lemuriensManana drafi-pitantanana manokana momba ny fiarovana ny gidro izay ahitana fandaharanasa ho fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo biby isan’ny ahafantarana manokana ny zavamananaina eto Madagasikara ny orinasa Ambatovy. Mifanaraka amin’ny fandraisan’Ambatovy andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany fandaharanasa izany. Ankehitriny, 95% amin’ireo karazana gidro 110 hita eto Madagasikara no ahiana ho lany tamingana, araka ny lisitra mena navoakan’ny UICN (Union Internationale pour la Conservation de la Nature). Manaraka fomba fiasa siantifika mifototra amin’ny fizaham-pahasalamana feno  sy fitiliana ny ràn’ireo gidro Ambatovy mba hampahomby ity fandaharanasa ity, ka isan’ny tanjona amin’izany ny hahafantarana ny filàn’ny gidro eo amin’ny lafiny sakafo sy ny toe-pahasalaman’ny gidro monina manodidina ny Toerampitrandrahana ao Moramanga. Ankoatra izany, manara-maso ny fomba fiaina sy fihetsiky ny gidro any amin’ny toerana onenany ihany koa Ambatovy amin’ny alalan’ny hairaha avo lenta mampiasa « radio-émetteurs » apetraka amin’ny vozon’ny gidro. Gidro manodidina ny 350 avy amina karazany 11 misy  ao anatin’ny ala manodidina ny Toerampitrandrahan’Ambatovy ao Moramanga  no efa nametrahana « radio-émetteurs » hatramin’ny taona 2007. Eo ihany koa ny fanasiana « puces électroniques ». Avokoa ireo biby efa noraisina an-tanana mba hanamorana ny fanisana azy ireo. Marihina fa nizara tamin’ny besinimaro ireo tsara ho fantatra momba ity fandaharanasa ity Ambatovy nandritra ny “Dihin’ny Varika maneran-tany” na ny “Festival Mondial des lémuriens” natao teo Antananarivo ny 21 ka hatramin’ny 25 ôktobra 2019.

Festival Lakana

une des activités sportives du Festival LakanaNandray anjara mavitrika tamin’ny andiany faharoa tamin’ny Festival Lakana, natao tao Toamasina ny 31 ôktôbra ka hatramin’ny 03 nôvambra 2019 Ambatovy, amin’ny maha mpikambana feno azy eo anivon’ny fiaraha-monina ao amin’ny faritra iasany. Isan’ireo mpanohana an’ity hetsika eo amin’ny lafiny fanatanjahantena, sôsialy ary kolontsaina ity ny orinasa. Manana tanjona maro ny Festival Lakana, ka isan’izany, ny hampahafantatra kokoa ny tanànan’i Toamasina, ny mampiavaka azy sy heriny, ny hanome lanja ny maha izy azy, ny kolontsaina sy ireo zavakanto marobe avy any amin’ny faritra Atsinanana. Ankoatra izany ihany koa ny fanentana ny besinimaro hanaja sy hiaro ny tontolo iainana, ataon’izy ireo

Fanatanjahantena an-tsekoly

Laharampahamehana amin’ny asa sôsialy ataony ny fanohanana ny fanabeazana ao amin’ny faritra iasany. Noho izany, nanolotra fanampiana mihoatra ny 13 tapitrisa ariary ho an’ny Sampandraharaham-paritry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana Teknika sy momba ny Asa Atsinanana mba hanampiana ny fikarakarana ny Fifaninanam-pirenena amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly  2019. Tanora 2000 mahery avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara no nandray anjara tamin’io fihaonana io izay notanterahina tany Toamasina ny 14 ka hatramin’ny 20 ôktôbra 2019.

Nanangona, Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *