Socio-eco

AMBATOVY: Azy irery ny iray ampahatelon’ny hetra miditra amin’ny fanjakana


Miverina miasa ny mpiasa amin’ny volana martsa . Noho ny Covid-19 dia nitsahatra tanteraka ny famokarana nikela sy kobalta tao Ambatovy nanomboka ny 06 aprily 2020. Niroso tamin’ny fanatanterahana ny “chômage technique” ny orinasa ny volana mey 2020 ka ny ankamaroan’ireo mpiasa no tratran’izany saingy mbola nandray  ny antsasa-karama  ihany izy ireo mandra-piverina miasa indray, araka ny tatitra nataon’ny sampandraharahan’ny seraseran’Ambatovy ny 23 aprily 2021. 850 ireo mpiasa  teratany vahiny nalefa nody  ny volana jona 2020 vokatr’io coronavirus io ihany. Nanomboka tamin’ny volana novambra 2020 dia niverina tsikelikely  ireo mpiasa ho fanomanana ny  famerenana ny fampiodinana ny orinasa amin’ny volana martsa 2021. Raha ny vinavina dia 3000 taonina ny nikela sy kobalta ho vokarin’i Ambatovy  ho an’ny telovolana voalohany amin’ity taona 2021 ity, izany hoe nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny martsa 2021. Ny volana martsa ho avy izao anefa vao hiodina ny orinasa ka hoezahina ho tratrarina izany, raha ny fanazavana. Ny iray ampahatelon’ny hetra miditra amin’ny fanjakana no ampidirin’ity orinasa ity.

Hatramin’ny tantsaha

Anisany nitondra takaitra tamin’ny fikatonan’ny orinasa  ihany koa ireo tantsaha 3000 mpamatsy legioma sy voankazo ao Ambatovy. Voatery natobaka teny an-tsena ireo vokatra satria raha mpiasa 8000 no fahanana  ao Ambatovy dia teo amin’ny 200 teo sisa izany nandritra ny vanim-potoana ny fihibohana sy ny firongatry ny valanaretina coronavirus tamin’ny taona lasa teo. Ankoatra izany dia nihena ny hetra nampidirin’ity orinasa mpamokatra nikela sy kobalta ity tamin’ny fanjakana malagasy vokatry ny fijanonan’ny famokarana. Ho an’ny taona 2018 dia 43,4 miliara dolara ny fitambaran’ny karazan-ketra naloany. Tsiahivina fa ny 26 % ny entana ahondrana dia vokatra avy ao amin’ny orinasa Ambatovy.

Niala tsy ho “actionnaires” ny Sherit

Nanamarika ny taona 2020 iny ny fialàn’ny Sherit. Ankoatra ny fiantraikan’ny Covid-19 dia anisany nanamarika an’i Ambatovy tamin’ny taona 2020 ny fiàlan’ny Sherit. Tra-pahasahiranana ity mpiara-miombon’antoka ao amin’ny orinasa Ambatovy ity noho ny fidinan’ny vidin’ny nikela. Lasa 7.700 dolara ny taonina tamin’ny taona 2016 raha toa ka niakatra be izany tamin’ny taona 2007, lasa 52.000 dolara. Nidiram-patiantoka izy. Nanampy azy ireo “actionnaires” Sumitomo Corporation sy Kores. Mitentina 2,3 miliara dolara ny trosany.  Natakalo ny anjarany ao amin’ny orinasa  ny trosasany  ary niala izy ny septambra 2020. Noho izany,  lasa 54,17 %  ny anjaran’ny Sumitomo ao  Ambatovy ary ny ambiny an’i Kores.

Lynda A. / Ra-Nirina


One comment on “AMBATOVY: Azy irery ny iray ampahatelon’ny hetra miditra amin’ny fanjakana

  1. Pingback: AMBATOVY: Azy irery ny iray ampahatelon’ny hetra miditra amin’ny fanjakana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *