Socio-eco

AMBATOMANJAKA MIARINARIVO: Manana ivon-toerana mandray zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja


Natoraly, mora kokoa nefa mahomby. Tsy mandeha lavitra intsony ireo reny manana zanaka teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja ao amin’ny kaominina Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy. Nametraka ivon-toerana mandray an-tanana ny zaza tsy ampy lanja sy teraka tsy tonga volana (centre de soin maman kangourou) ao amin’ny CSBII Ambatomanjaka ny Orange Solidarité Madagascar. Amin’ny alalan’ny teknika “kangourou”,  fomba natoraly, mora kokoa kanefa mahomby no hikarakarana ireo zaza. « Centre de soin maman kangourou » faha-25 napetrakin’ny fikambanana ara-tsosialy ao amin’ny Orange teto Madagasikara izy ity. Niara-niasa tamin’ny Compassion Madagascar ny fikambanana tamin’ny fanatanterahana ny asa. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 16 janoary 2023  ity foto-drafitr’asa vaovao ity. Nanatrika ny lanonana i Arson Benja – Filohan’ny Orange Solidarité,  Elodie Prisca Ranjanoro – Mpanorina ny Compassion Madagascar, ireo manam-pahefahana ao an-toerana toa an’ny Jeneraly Andriamanana Maherizo, ny Governoran’ny faritra Itasy ary  Rakotondrasoa Fetra – Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Miarinarivo.

Ankoatra izany, nanome fampiofanana momba ny teknika “Maman Kangourou » ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ary nanolotra fitaovana ho an’ireo ray aman-dreny sy zaza vao teraka tao amin’ny CSBII Ambatomanjaka  ihany koa ny Orange Solidarité Madagascar. Ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary  ao amin’ity toeram-pitsaboana ity dia nanavao ireo trano natokana ho an’ireo mpanaraka marary sy nanolotra takamoa mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa telo ny fikambanana.

Anisany nametrahana “Village Orange” ny kaominina Ambatomanjaka. Ny taona 2014 no nanombohana izany. Nohavaozina avokoa ireo toby mpamatsy rano miisa 17 namboarina ny taona 2014 mba ahafahan’ny mponina misitraka rano fisotro madio. Nanentana ny mponina ny teo anivon’ny kaominina handray anjara amin’ny fanavaozana ireo foto-drafitr’asa ka natao tamin’ny alalan’ny asa tanamaro ohatra ny fandokoana ny CSBII sy ny CEG Ambatomanjaka.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *